Mois : octobre 2024

Tarika Rossy: hanao seho mandritra ny telo andro

Tanterahina eny amin’ny Kianjan’ny Kanto Mahamasina, ny 25, 26, 27 oktobra 2024, ny fampisehoana iarahana amin’ny tarika Rossy. Hetsika ho fampahafantarana ny rakikira izay naparitaka ao amin’ny « Plateforme Moozik ». Samy hahazo ny anjarany avokoa ireo mpankafy ny tarika mandritra ireo fotoana ireo. Hokaloina ao avokoa ireo hira nankafizana sy nahalalana […]

Fahendrena sy hasina maha Malagasy: Nankalazaina omaly ny santatry ny fanetsana

Ny rindra sy lamina ara-boajanahary, izay zary lasa fahendrena sy mpikolo ny sain’ny Malagasy, no najaina ka nivadika ho fomba. Izany no lovaina sy ataon’ireo taranaka aty aoriana, ho fanomezana hasina ny rehetra sy anton’ny fankalazana. Notanterahina omaly, teny Mandriarika Ankazobe, ny lanonana ara-pomba malagasy nanaovana ny santatry ny fanetsana. […]

TSELATRA

Teratany Etiopianina naiditra eny Tsiafahy noho ny fisolokiana, ny 5 oktobra lasa teo. Nanafatra mpiray firenena aminy ho avy eto Madagasikara izy. Nomeny toky fa afaka hiasa any Canada ireo voasoloky ary nangalany vola 45 000 dolara, izany hoe, maherin’ny 225 000 000 Ar.

Namono zaza efa-taona : voasaringotra ny renikeliny

Nosamborin’ny zandarimaria ny vehivavy iray 23 taona voatondro ho namono ny zana-badiny ka tratra tao Soanafindra, fokontany Fe­noarivo, kaominina Belo­baka, ny 16 oktobra lasa teo. Naha­ray loharanom-baovao ny mpitandro filaminana fa zazalahy 4 taona maty tamin’ny fomba nampiahiahy ny fianakaviany tao amin’io kaominina io, ny 12 oktobra teo. Niara-nipetraka tamin’ilay […]