Dimy taona aty aorian’ny nametrahana ny vato fototry ny lalambe migodana mivoaka eny amin’ny RN2 Bis, manomboka ny asa. Trano 400 no narodana omaly, ilaina ny tany. Miroso ny fanatanterahana ny vinan’ny Filohan’ny Repoblika, indrindra mahakasika ny fanamboaran-dalana! Vao mangiran-dratsy, omaly, feno mpitandro filaminana ny fokontany Dépôt, hatrany amin’ny Cité […]
Mois : octobre 2024
FANTINA sy FINTINA
Hiroso amin’ny fanabeazana ny olom-pirenena ny FFKM ka hotanterahina amin’ny alalan’ny famoahana tahirin-kevitra sy fandaharana amin’ny haino vaky jery izany. Ankoatra izany, hiatrika ny Komity foibe faha-46 any Morondava ny FFKM, ny 3 hatramin’ny 5 desambra izao. Lohahevitra ny Matio 5,9 “Sambatra ny mpampihavana fa izy no antsoin’Andriamanitra hoe zanany”. […]
Fifidianana filoham-pirenena amerikanina : nisy ny fampahafantarana ny fizotrany
Tontosa omaly, teny amin’ ny masoivohon’i Etazonia Andranomena, ny velakevitra fampahafantarana ny mahakasika ny fifidianana filoham-pirenena amerikanina. An-jotra no nanaovana izany ary i Amy Greene, manam-pahaizana manokana momba ny politika amerikanina, no nitondra ny fahaiza-manaony nandritra izany. Tanjona amin’izany ny hampahafantarana bebekokoa ny mahakasika ny fifidianana filoham-pirenena any Amerika. Anisan’izany […]
Sady mamitana no mamitaka!
Efa mahoraka ery ny tanàna amin’ny faritra maro manerana ny Nosy. Mipoipoitra mampahafantatra ny kandidany ny antoko, fikambanana, na vondron’olona tsotra. Efa samy miketriketrika ny hampandaniana izay ho “ngahy mera” avokoa ny rehetra. Izay manan-katao moa efa manetsika rezimanta. Izay somary marisarisa, misafidy ny manao ron-gisa: misiko-miadana fa mampijafajafa ihany […]
Fiaraha-miasan’ny KfW sy ny MFFT : fotodrafitrasa miisa 40 eo am-panamboarana
Mitohy ny fiaraha-miasa eo amin’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT) sy ny tetikasa KFW avy any Allemagne. 40 ny fotodrafitrasa eo am-panamboarana, ankehitriny. Niaraha-nijery sy nodinihina tamin’izany ny tombana amin’ny ezaka sy ny asa efa vita eo amin’ny fitondram-panjakana sy ny avy amin-dry zareo Alemà. Anisan’izany ny […]




