Maty voatifitry ny polisy ao Ikongo ny jiolahy raindahiny amin’ny fanafihana. Tao Ambolomadinika Ikongo no nifanehatra tamin’ny polisy ity jiolahy ity, ny sabotsy teo. Nentin’ny polisy hanoro ny toerana misy ireo mpiray tsikombakomba aminy izy no nanohitra tampoka. Miafina ao Ambolomadinika ireo namany ka teny an-dalana no nikasa haka ny […]
Mois : octobre 2024
Tanjombato : vehivavy naka karama voaendaka
Ranomaso sisa! Io no azon’ny renim-pianakaviana iray natao, taorian’ny fanendahana nataon’ny jiolahy azy teny akaikin’ny banky iray eny Tanjombato, omaly atoandro. Nendahin’ny jiolahy roa nitondra moto niaraka tamin’ny antsy lavalela ity renim-pianakaviana ity rehefa avy naka vola, karama, tao amina banky iray eo Tanjombato. Mpampianatra amina sekolim-panjakana eny amin’iny distrikan’Antsimondrano […]
Ankazobe : trano valo tafo kilan’ny afo
Hotohoton’ny afo avokoa ny trano miisa valo tao amin’ny kaominian Kiangara, distrikan’Ankazobe, omaly atoandro. Niainga tamina tokantrano iray tao an-toerana io firehetana io. Tsy fantatra mazava ny nahatonga ny fahamaizana fa ahin’ireo lasibatra ho niainga tamin’ny fipoahan’ny vatoharatra. Niteraka fahamaizana tamin’ny tafo io fipoahana io ka nalaky nahazo ny tafon-trano […]
Vola 3 tapitrisa Ar voaroba : Ramatoa voatifitra teo amin’ny lohany
Renim-pianakaviana 53 taona maty voatifitry ny jiolahy omaly. Mpamongady entana plastika ao Bazarikely ity lavo ity. Manjaka ny asan-jiolahy mitam-piadiana hatrany amin’ny faritra Atsinanana. Renim-pianakaviana iray indray no lavon’ny tifitry ny olon-dratsy tsy lavitry ny Bazary kely Toamasina, omaly hariva tamin’ny 6 ora. Jiolahy roa nitam-basy, nanafika teo amin’ny mpivarotra […]




