Mois : octobre 2024

Toeram-pitsaboana : tokony hitovy ny fandraisana an-tanana ny marary

Mikendry hatrany ny hanatsara ny sehatry ny fitsaboana ny fanjakana. Indrindra eo amin’ny fandraisana an-tanana ny marary eny amin’ny tobim-pahasalamana. Izay marary andrianina! Izany indrindra no anton’ny fandrafetana ny fomba fiasa iraisana amin’ny fomba fandraisana marary eny anivon’ ny tobim-pahasalamana izay nataon’ireo misehatra rehetra eo amin’ny tontolon’ny fahasalamam-bahoaka. Maneho fahavononana […]

Baolina kitra, vehivavy-« Cosafa 2024 » :haka mpilalao mpilaravinahitra ny federasiona

Nambaran-dRandria­manam­pisoa Alfred, filohan’ny Federasiona malagasin’ny baol­ina kitra (FMF), omaly, tany Maroc, fa handray anjara amin’ny fifaninanana afrikanina “Cosafa”, taranja baolina kitra, sokajy vehivavy, i Mada­gasikara. Nilaza izy fa hiavaka kely ny amin’ity, hanafatra mpilalao mpilaravinahitra any ivelany ny federasiona mba hanamafy ny ekipam-pirenena Barea de Madagascar. Raha ny filazany, maro […]

JJB-Fight Cage : hifanandrina amin’ny Renioney ny Malagasy

Hatao ny 1 novambra izao, ao amin’ny Kianja mitafon’i Ma­hamasina, ny fifaninanana iraisam-pirenena “Fight Cage”. Ny mpikatroka avy any La Réunion no hifanandrina amin’ ny Malagasy. Ny Guerreros Team no mikarakara ny fifaninanana ary miara-misalahy amin’izy ireo amin’izany ny Federasiona malagasin’ny Jiu-jitsu Breziliana sy ny Kao­misiona malagasin’ny Panc­race. Taranja 3 […]

Ping-Pong: Klioba zandriny saingy sangany ny Challengers

Tsy mitsahatra ny mivoatra ny klioba Challengers eo amin’ny tontolon’ny ping-pong eto an-toerana. Vao 8 volana nitsanganana, efa nahavita dingana goavana. Namoaka mpilalao nandrombaka ny tompondakan’i Afrika Atsinanana 2024 izy ireo. Miroborobo ny fananganana ekipa eto Mada­ga­sikara, amin’izao fo­to­ana izao. Anisan’ireny ny Chal­len­gers eo amin’ny taranja Ping-pong. Klioba mifaninana ao […]