“Eto izahay dia manambara aminao Praiminisitra lehiben’ny governemanta: vonona ny Antenimierampirenena hiara-miasa amin’ny governemanta”. Io ny kabarin’ny filohan’ny Antenimierampirenena, i Tokely Justin, tany Sambava, ny faran’ny herinandro teo, tamin’ny lanonana fametrahana samboady azy sy ireo depiote avy amin’ny faritra Sava sy Diana. Amin’ny fanatanterahana ny vinan’ny filohan’ny Repoblika izany. Eo koa […]
Mois : octobre 2024
Ho an’ny vahoaka
“Ho an’ny Tanindrazana” ny teny filamatry ny Foloalindahy. Miaro ny fiandrianam-pirenena sy ny tanindrazana izany, ny andrimpanjakana sy ny mpitondra, ny vahoaka sy ny fananany… Tsy hoe “Ho an’ny vahoaka” kosa ve, ohatra, ny teny filamatry ny olom-boafidy? Eny, na izay olom-boatendrin’ny olom-boafidy aza. Ny vahoaka no loharanom-pahefana. Mpindrana […]
Transparency International – IM : “Atsaharo ny tolotolotra sy kolikoly amin’ny mpifidy”
Namoaka ny torolalana “Hay fidy ben’ny Tanàna” ny eo anivon’ny Transparency International – Initiative Madagasikara (TI-IM), ny faran’ny herinandro teo. Natao hanampiana ny olom-pirenena sy hanafatrafarana ireo kandidà izany. Anisan’ny notakin’izy ireo ny hananan’ny kandidà fitondrantena mendrika ka hanalavitra ny fanaovana ireo karazana kolikoly ara-pifidianana. “Aoka hatsahatra ny fanolotolorana mihoapampana […]
TSELATRA
Fiara tsy mataho-dalana sy sprinter nifandona teny amin’ny lalam-baovao Tsarasaotra-Ivato, omaly. Naratra mafy ny mpamilin’ilay sprinter. Nandeha mafy, naharenesana fofona alikaola ny mpamilin’ilay fiara tsy mataho-dalana, araka ny loharanom-baovao. Lahiantitra tratra namaky tranon’ny mpianatra tao Ambalanantsotry, kaominina Mandritsara, omaly maraina tamin’ny 2 ora sy sasany. Nandeha nody any ambanivohitra ny […]
Ben’ny tanàna teo aloha matin’ny dahalo : mitaky ny hamerenana ny omby 95 ny fianakaviany
Mitaky ny hamerenana ny omby 95 nangalarin’ny dahalo ny fianakavian’ny ben’ny Tanàna teo aloha tao amin’ny kaominina Ampamata, omaly. Maty voatifitry ny dahalo nandritra ny fanafihana mitam-piadiana ny alin’ny zoma 20 septambra teo, io ben’ny Tanàna teo aloha io. Norobain’ny dahalo ny ombiny mitotaly 95 niampy omby tamin’ny fokontany hafa. […]




