Mois : octobre 2024

SOMBIM-BAOVAO

Hotanterahina rahampitso alahady, etsy amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, ny tohin’ny fifaninanana ho an’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Mada­gasikara, » « XXL Top 12 », Federaly I, taranja Rugby. Anisan’ireo fihaonana tena andrasan’ny maro ny fifanandrinan’ny 3FB sy ny Uscar. Hotontosaina ny alahady ho avy izao, etsy amin’ ny Kianja Malacam Antanimena, ny lalao […]

Rugby vehivavy – «Mondial D3» : tsy nahatohitra ny Samoa ny Makis Ladies

Faharesena telo tamin’ny lalao telo no vokatra azon’ny Makis Ladies nandritra ny fiadiana ny ho tompondaka ma­neran-tany “Mondial”, taranja rugby lalaovina olona 15, sokajy vehivavy. Fihaonana notanterahina tany amin’ny kianja Dubai Stadium, omaly. Niondrika tamin’ny isa, 46 no ho 15 nanoloana an’i Samoa ny Malagasy. Na teo aza ny faharesena, […]

«Danse sportive »; hatao any Toamasina ny Mada 2024

Hotontosaina ny 31 oktobra hatramin’ny 2 novambra izao, any Toamasina, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja dihy ara-panatanjahantena “Latine” sy SBK (Salsa, Bachata, Kizomba). Efa nisy ny fidinana ifotony tany an-toerana notarihin’ny filohan’ny federasiona, Randrianarisoa Rijamanitra, ny herinandro lasa teo, nijerena izay fomba hanatanterahana araka ny tokony ho izy ity […]

Baolina kitra- “Can 2025” : manana isa roa anaty vondrona “A” ny Barea de Madagascar

Very tany amin’ny ora farany ny fandresena tokony ho azon’ny Barea de Madagascar, omaly, tany Maroc. Nanao sahala, 1 no ho 1, tamin’ny Scorpion Gambie, ny ekipa nasionaly malagasy. Niampy iray indray ny isa azon’ny Barea de Ma­dagascar, omaly, tao amin’ny kianja Stade El Arbi Zaouli Maroc. Nanao ady sahala, […]

MFFT sy ny masoivohon’i Frantsa: hatsaraina ny tolotra ho an’ny vahoaka eny ifotony

Miezaka ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), amin’ny alalan’ ny Ivontoeram-pirenena ho an’ny fitsinjaram-pahefana sy ny fampandrosoana eny ifotony (INDDL), manohana ny kaominina. Notontosaina nandritra ny telo andro, tany Antsirabe, ny fanofanana ho amin’ny fahaiza-manaon’ireo tomponandraikitra eny anivon’ ny kaominina. Niompana tamin’ny fitantanana ny sora-piankohonana. […]