Mois : octobre 2024

Aretina bilarziozy na takilodrano: hatsaraina ny ady atao eto Madagasikara

Nisy ny atrikasa natao tetsy amin’ny Carlton Anosy, omaly, nandinihina ny hana­tsarana ny ady atao amin’ny aretina bilarziozy na takilo­drano. Hetsika niarahan’ny Institut Bernhard Nocht de médecine tropicale (BINMT) avy any Hambourg sy ireo oniversitem-panjakana eto an-toerana mpiara-miombon’antoka aminy. Anisan’ny firenena ahitana bilarziozy betsaka i Madagasikara. Ahitana izany avokoa ireo disitrika 107 […]

Firenena Japoney: hamatsy sakafo sy rano any Toamasina

Nifanao sonia fifanaraham-piaraha-miasa, ny alakamisy teo, ny firenena japoney sy ny firenena malagasy. Nitarika izany ny masoivohon’i Japon monina eto Madagasikara, Abe Koji, sy ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika. Mahakasika ny fandaharanasa fanampiana ara-tsakafo ho an’ny taona 2024 no anton’ny fiaraha-miasa voalohany. Hanampy amin’ny fampanjarian-tsakafo izany. Voakasiky ny fifanarahana […]

Vondron’orinasa Andriantsitohaina: nentanina amin’ny ady amin’ny homamiadana ny mpiasa

Anisan’ny andraikitra ara-tsosialy sy toekaren’ny vondrona Andriantsitohaina ny fahasalaman’ny mpiasa. Ho fanamarihana ny « Octobre Rose », nisy ny fanentanana momba ny ady amin’ny homamiadan’ny nono sy ny tranon-jaza , omaly. Nampahafantarina ny mpiara-miasa rehetra ao amin’ny vondron’orinasa Andriantsitohaina ny karazana fisorohana sy fahamailoana amin’ny homamiadan’ny nono sy ny vozon’ny tranon-jaza, omaly. […]

INDRAY MIJERY

Ho fanamarihana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny zatovovavy, nanao fanadihadina momba ny zava-misy mahakasika azy ireo ny Unicef, tamin’ny alalan’ny «plateforme U-Report». Miompana amin’ny hevitr’izy ireo momba ny miralenta, ny fahafantarany sy ny fampiharana ny zony ny fanadihadiana notanterahina. 18 tapitrisa no isan’ny zatovovavy latsaky ny 20 taona eto amintsika. […]

Sambava: Zokiolona 1 500 nizarana fehezan-karona

Natao tany Sambava, faritra Sava, ny fanamarihana ny An­dro iraisam-pirenena ho an’ny zokiolona. Nitarika izany ny minisitry ny Mponina sy ny firaisankina, Razafinjato Auré­lie, tamin’ity herinandro ity. «Zokiolona malagasy mandroso hasina, manatsara ny hoavin’ny taranaka» no nezahina novoizina nandritra ny hetsika. Ankoatra ny fifampizarana trai­kefa sy fanentanana samihafa, nisy ny […]