Mois : octobre 2024

«QG Tanora» etsy Ankorondrano: Ivontoerana ahafahan’ny zatovo mivelatra amin’ny lafiny rehetra

Tetikasa iarahan’ny minisiteran’ny Tanora, ny UNFPA, ny OIT ary ny fanjakana norvezianina ny fametrahana ny QG etsy Ankorondrano. Sehatra ahazoana mianatra, mikaroka, mifanakalo traikefa, mijery tolotrasa samihafa. Notokanana omaly, teny Ankorondrano, ao anatin’ny ivontoeran’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena, ny QG Tanora na foiben-toerana natokana ho an’ny tanora. «Sehatra iray ahazoan’izy […]

TARATRY ny KANTO

Tanterahina rahampitso tolakandro, ao amin’ ny Petit Palais des Sports Mahamasina, ny fampisehoana iarahana amin’ny Rheg The Gang. Fampi­sehoana handrenesana gadona metaly rano iray izy ity. Ankoatra ny fampisehoana, fotoana ahitana voalohany ny rakikiran’ny tarika ihany koa. Anio, eny amin’ny Musée de la Photographie Anjohy, no ahitana ny velakevitra iresahana […]

AFT Andavamamba : hisy ny fampahafantarana ny «Betro Elektriky»

Tanterahina eny amin’ny Alliance Française d’Antana­na­rivo (AFT) Andavamamba, ny 23 oktobra 2024, ny fampisehoana ny «Betro Elektriky» iarahana amin’ny ekipan’i Nazaria Tooj. Anisan’ny famokarana ao anatin’ny «Projet Dihy» izy ity. Tetikasan-javakanto ahitana dihy, hira, mapping ary horonantsary. Ireo karazan-javakanto ireo no natambatra ho iray ka nanome ny «Betro Elektriky». Anisan’ […]

ho an’ny tontolo miaina : hiaka-tsehatra ny dihy

Tanterahina anio, eny amin’ny Zone Zital Ankorondrano, ao anatin’ny fampirantiana «Antso ho an’ny tontolo miaina», ny fampisehoana dihy iarahana amin’ny Flow mouvement. Ahitana soradihy maneho ny fitarainan’ireo zavaboahary mahakasika ny fahasimban’ny tontolo iainana ny hetsika. Tanjona ny hampahatonga saina ny olona mahakasika ny fahasimban’ny tontolo iainana amin’ny alalan’ny zavakanto. Tena […]

Fetin’ny Repoblika : hisy velakevitra arahina seho hataon’ny Kolontsaina Mainty

Mandray andraikitra amin’ny fiainam-pirenena ihany koa ny mpanakanto. Ho tohin’ireo hetsika efa fanaony, hankalaza ny andron’ny 14 oktobra, « Fetin’ny Repoblika », ireo mpanao rap mivondrona ao amin’ny Kolontsaina Mainty. «Eh, avia aloha ma­nabokona atidoha, fa ny fahantrana ara-tsaina, hoy aho, mitarika ny fahantrana ara-bola ihany koa a». Fanen­tanana nataon’i Bolo na Ra-Loob […]