Nirarandraraka tanteraka ny baolina maty nandritra ny fifanandrinan’ny FC Melaky sy ny Ma II Mi Betsiboka. Nomontsanin’ny mpilalaon’i Melaky, 14 no ho 0, ry zareo avy atsy Betsiboka, omaly. Marihina fa ity fifanandrinana ity, tafiditra amin’ny andro fahadimin’ny fifaninanam-pirenena, sokajy vehivavy. Hotanterahina anio, ny andro fahatelon’ny fifanintsanana iraisam-pirenena amin’ny taranja […]
Mois : octobre 2024
«Road to BAL» : tanjon’ny GNBC ny ho tafita amin’ny Élites 16
Hanainga rahampitso, ho any Tanzanie, ny GNBC, hiatrika ny dingana voalohany amin’ny “Road to BAL”, taranja basikety, hatao ny 16 hatramin’ny 20 oktobra izao. Tanjona ho an’ny ekipa ny hahazo ny tapakila hiatrehina ny Élites 16. Tsiahivina fa ekipa 6 no hiady ny tapakila 2 hanao izay Élites 16 izay, […]
“Alley Hoop 2024”: Ekipa 96 no andrasana
Hatao ny 2 sy 3 novambra izao, ao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fifaninanana basikety 3×3 “Alley Hop”, ho an’ny taona 2024. Ekipa 96 izay mitsinjara sokajy 3 (U17 lahy sy vavy, U23 lahy sy vavy, Elite lahy sy vavy) no andrasana. Mpilalao 8 avy no hifaninana ao amin’ny Elite […]
« Can 2025 » : hifandona amin’i Gambie ny Barea de Madagascar
Hiditra an-tsehatra androany, mandritra ny andro fahatelo sy fahefatra hiadiana tapakila amin’ny “Can Maroc 2025”, any Maroc, ny ekipa nasionaly malagasy Barea de Madagascar. Hifandona amin-dry zareo amin’izany ny Scorpion Gambianina. Hotanterahina anio, ao amin’ny Kianja Stade El Arbi Zaouli Maroc, ny lalao ihaonan’ny ekipam-pirenena malagasy Barea sy ny Scorpion […]
Fahatapahan-jiro sy rano: fahavoazana ho an’ny vahoaka sy ny fandraharahana rehetra
Fahatapahan-jiro matetika amina tambajotra iray, miampy tsy fisian’ ny rano amin’ny toerana sasany ny mahalaza ny “délestage”. Ahitana izany ny eto an-dRenivohitra sy ny manodidina. Miha mahery vaika izany tato ho ato, miteraka fahasorenana sy olana isan-karazany, toy ny fatiantoka, fahasimban-javatra. Nanomboka tamin’ny fe-potoana fiasana voalohany ny fanjaka tarihin’ ny […]




