Mois : octobre 2024

Tratran’ny fitsaram-bahoaka: lehilahy iray nisandoka ho zandary

Haingana ny fahatongavan’ny zandary nisambotra azy fa raha tsy izany saika matin’ny fitsaram-bahoaka ny raim-pianakaviana iray antsoina hoe Ramilison Jean Emile, nisandoka ho zandary tao Tanambao fahadimy Toa­ma­sina, omaly. Manery ireo olona handoa vola tsy ara-drariny aminy izy. Tonga teny amin’ny faritra misy ireo mpivarotra finday ao Tanambao fahadimy ity […]

Ampitatafika : tratra ny jiolahy mpamaky trano

Voasambotry ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Fenoarivo teny Soavimbahoaka Ampitatafika, omaly, ny andian-jiolahy mpamaky trano. Nahazo fitarainana mialoha avy amin’ny mponina manodidina ny zandary momba ny fisiana andian-jiolahy mifoka zava-mahadomelina. Nidina teny an-toerana nitobian’ireto jiolahy ireto ny zandary ka voamarina tokoa ny fisian’izany. Nahatrarana fonosan-drongony teny amin’ireo jiolahy nandritra […]

Fiara 4X4 tra-doza : Polisy iray namoy ny ainy

Lehilahy iray maty ary roa naratra mafy teny amin’ny lalam-pirenena faha-34, tsy lavitry ny tetezan’i Sahalombo, distrikan’Antsirabe I, omaly maraina. Mpitandro filaminana ity niharan-doza ity. Raim-pianakaviana iray namily fiara namoy ny ainy nandritra ny lo­zam-pifamoivoizana tamin’iny RN 34 iny, tao amin’ny fokontany Tsivatrinikamo, distrikan’Antsirabe voalohany, omaly vao mangirandratsy. “Avy any […]