Nahazo taratasy fampitsaharana amin’ny asany ireo sefo fokontany miisa 5 any Toliary. Efa niseho koa ny fanesorana mpitantana eny ifotony tahaka izao tany an-toerana nialoha ny fifidianana depiote tao Toliary ary izao niverina izao indray. Tsiahivina fa taratasy avy any amin’ny prefet izany. Iharan’ny tsindry amin’ireo kandidà mpomba ny fitondrana […]
Mois : octobre 2024
Prefet Antananarivo: “Tsy maintsy atao ny fanendrena lefitra PDS roa”
“Tsy maintsy itadiavana vahaolana hisolo azy izay nametra-pialana. Tsy maintsy manao ny fanendrena ny lefitry ny Filohan’ny delegasiona manokana (PDS), Antananarivo Renivohitra, ny fanjakana”. Io ny fanazavan’ny prefet, Antananarivo, ny jeneraly Ravelonarivo Angelo, teny Tsimbazaza, omaly, manoloana ny fametraham-pialan’ny PDS teo aloha, Ramanantsoa Harilala, noho ny firotsahan-kofidiny ho ben’ny Tanàna […]
Mila manova fomba fisaina
Hita iny ny vahaolana avy amin’ny filohan’ny Repoblika. Nasehony hatrany amin’ny fizaran-drano ny fitsinjaram-pahefana tena izy. Miezaka ny miatrika ny hamehana arakaraka ny hodidina izy. Ny rano manakaiky vahoaka, fa tsy ny vahoaka intsony no handahatra bidon mavo. Mibaribary ny finiavany hitondra vahaolana, tsy hiandrasana ny hafa. Manoloana izany, mba […]
Ady amin’ny kolikoly sy ny mpanera : nohamoraina ny fandraisana olona eny amin’ny fitsarana
Nitondrana fanavaozana sy fanatsarana fomba fiasa ny nametrahana kioska, handraisana ny torohay ho an’ireo manan-draharaha eny anivon’ny fitsarana. Iarahana amin’ny fandaharanasa Rindra izany. Nambaran’ny minisitry ny Fitsarana, Rakotomandimby Benjamin Alexis, omaly, tetsy Anosy fa manana zo handeha ho eny amin’ny fitsarana ny rehetra. Matetika anefa matahotra ny olona na koa […]
Fanafihan-jiolahy : ramatoa 63 taona maty voatifitra
Renim-pianakaviana iray 63 taona maty notifirin’ny jiolahy tao amin’ny fokontany Ambohinorina, kaominina Betafo, ny alin’ny alarobia teo, tokony ho tamin’ny 10 ora. Nirongo fitaovam-piadiana, niditra an-keriny ny tanàna, ireo mpandroba. Nangorona ny omby rehetra tao am-bala izy ireo. Tamin’io fotoana io indrindra, notifirin’ireo tsy mataho-tody ity ramatoa lasibatra ity. Nidarabako […]




