Hatao manomboka ny 14 oktobra izao, ny fiofanana “Fiba Afrika Youth Camp 2024”, taranja basikety. Manana solontena efatra mianadahy i Madagasikara. Nampahafatarin’ny Federasiona malagasy, tamin’ny alalan’ny filohany, Ramaroson Jean Michel, ny talata lasa teo ireo tanora efatra mianadahy hisolo tena an’i Madagasikara mandritra ny fiofanana karakarain’ny Fiba Afrika miaraka amin’ny […]
Mois : octobre 2024
PAMF: hanome vahana ny tolotra niomerika
Hampiroborobo ny fampiasana ny niomerika sy ny haitao ara-kajy mirindra. Ireo no tanjona apetraky ny Première Agence de Microfinance (PAMF). Laharaham-pahamehany ny hanamorana ny fikirakirana vola eto Madagasikara, ny hampiroborobo ny toekarena sy hanakaiky ny mpanjifa indrindra ireo toerana any an-tany lavitra. «Tanjona ny hahamatihanina ny fifandraisana amin’ny mpanjifa», hoy […]
“Fijery hafa” : hitohy eny Anosibe ny fanofanana
Taorian’ny hetsika “Fijery hafa”, natao tetsy amin’ny Tranompokonolona Isotry, ny volana septambra lasa teo, mitohy hatrany ny ezaka mahakasika ny fanofanana faobe ataon’ ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, izay tarihin’ny minisitra Rasoloarisoa Marie Marcelline. Fomba fiasa vaovao napetraky ny minisitra ny fijery hafa. Tanjona ny hanatonana manokana […]
Olan’ny Jiro sy Rano eto an-drenivohitra : hitondra vahaolana, anio, ny filohan’ny Repoblika!
”Olan’ny jiro sy rano: rahampitso ( anio) ihany dia hitondra vahaolana ho an’Antananarivo Renivohitra aho”, hoy ny filoha Rajoelina Andry. Sasa-miandry ny vahoaka ! Nanisy fanamarihina mahakasika ny olana amin’ny jiro sy rano, ny filoha Rajoelina, omaly, ankoatra ny fitokanana ny fitaovam-pitiliana «scanner» teny amin’ny Hopitaly Manara-penitra Andohatapenaka. Nambarany fa, […]
INDRAY MIJERY
Nihaona tamin’ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa tao amin’ny toeram-piasany ny filoha mpanorina ny ONG Malagasy mobilisés pour l’action (Mamoa), Ratsimbazafy Yasser Gerardain, tamin’ity herinandro ity. Nifantoka tamin’ny famahana ny olan’ny rano eny anivon’ny «Cités universitaires» Ankatso ny fihaonana. Hitondra vahaolana ny ONG Mamoa ka hisy fidinana […]




