Voafidy amin’ny programa “Reciprocal Exchange”, taona 2024, sahanin’ny Mandela Washington Fellowship for Young African Leaders, Randrianomanana Rija, teratany malagasy sy ny Dr. Timothy L. Weekes. Fandaharanasa izay tohanan’ny birao misahana ny fanabeazana sy ny kolontsaina ao amin’ny departemantam-panjakana amerikana ity nahavoafidy azy roa lahy ity. Dingana iray vita amin’ny fampivoarana […]
Mois : octobre 2024
CEG Lovasoa Marovoay : nahazo efitrano fianarana sy kianja
Distrika fahatelo manana mpianatra betsaka ao anatin’ny faritra Boeny i Marovoay. Teo aloha, voatery nalefa mianatra any amin’ny sekoly ambaratonga voalohany amin’ny tanàna manodidina ny kilonga. Satria, tsy mahazaka ny isan’ny mpianatra ny fotodrafitrasa nisy. Amin’izao fotoana izao, nahazo efitrano finarana miaraka amin’ny toeram-pivoahana sy fidiovana ny CEG Lovasoa, Antanimora, […]
CHU Andohatapenaka: nahazo «Scanner» avy amin’ny Japoney
Natolotra sy notokanana, omaly, tetsy amin’ny hopitaly manara-penitra Andohatapenaka ny fitaovana fitarafana « scanner ». Tetikasa avy amin’ny fitondrana Japoney no nahafahana nahazo izany. Fitaovana avo lenta kokoa ahafahana mitily ny aretina sy ny taova isan-karazany tsy hita maso, manomboka amin’ny loha hatrany amin’ny tongotra izy io. “Dingana lehibe ho […]
Ady amin’ny kolikoly : hojerena manokana ny zon’olombelona
“Taloha, rehefa miresaka ady amin’ny kolikoly: tsy jerena loatra ny fiantraikany amin’ ny zon’olombelona. Nefa misy fiantraikany be dia be ny tsy fahazoan’ny vahoaka ny zony, araka ny Lalàmpanorenana: any amin’ny fampianarana, ohatra, ny fahasalamana, ny fitsarana, ny fananan-tany”. Izay ny fanazavan’ny filohan’ny Komity mitandro ny fahitsiana (CSI), Rabenarivo Sahondra, […]
Depiote Dr. Rajaobelina L.H.: Tsy atao ambanin-javatra ny fampandrosoana
Voafidy indray ho solombavambahoaka ao amin’ny distrikan’i Moramanga, ny Dr. Rajaobelina Lova Herizo, sady filohan’ny vaomieran’ny Fahasalamabahoaka eny amin’ny Antenimerampirenena. Ho azy, zava-dehibe ny anjara birikin’ny depiote ny Famatsiam-bola tohana ho an’ny fampandrosoana (Ciad). Nampiasana io vola io ho an’ny distrikan’i Moramanga, tamin’ny fe-potoam-piasany teo aloha, ny fividianana jiro «cobra», […]




