Hotanterahina ny 16 hatramin’ny 24 oktobra 2024, ao amin’ny Espace F. DELAGE – Asnières-sur-Seine, Frantsa, ny « Salon Artistique Biennal Arts sur scène », andiany fahavalo. Hetsika fampirantiana sary isaky ny karazany avy izy ity, handraisan’ireo mpanakanto mpanao sary isan-tsokajiny, miisa 58, avy amin’ny firenena maro. Anisan’ny handray anjara amin’izany i Jean […]
Mois : octobre 2024
“Tontolo Toly” : nahavory olona maro ny hetsika
Tontosa, omaly, teny amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy, ny “Tontolo Toly”, velakevitra nokarakarain’ny Faribolana Sandratra, niresahana mahakasika an’i Toly, Malagasy mpanoratra. Tonga nanotrona sy nandray anjara tamin’izany ireo mpanakanto maro avy amin’ny Faribolana Sandratra. Teo ihany koa ireo mpianatra sy tanora misehatra eo amin’ny tontolon’ny haisoratra. Ambohi-pihaonan’ny fianakaviamben’ny haisoratra malagasy ny teny […]
Dadah R’Abel : hisy seho ho fanomezam-boninahitra azy any Paris
Hahazo tombony ireo Malagasy monina any Frantsa. Hitohy any mantsy ny seho ho fanomezam-boninahitra an’i Dadah R’Abel, izay hataona mpanakanto maro, avy eto sy any an-toerana. Mpamorona anisan’ny manana hira maro sy be mpankafy indrindra i Dadah R’Abel. Velona ao am-pon’ny maro na dia efa nodimandry aza ity andrin’ny tarika […]
Fisedrana olana sy fanilikilihana : afaka manova izao tontolo izao ny ankizivavy raha tohanana amin’ny maha zatovo azy
Mbola raiki-tapisaka mandrak’ankehitriny, ny tsy fitovian-danja eo amin’ny zatovovavy sy ny zatovolahy. Antony mahatonga izany ny kolontsaina sy ny fomba amam-panao ary ny hevi-draikitra maro isan-karazany misy eo amin’ny firenena. Afaka manova izao tontolo izao anefa ny zatovovavy raha tohanana amin’ny maha zatovo azy. Niray feo ny firenena rehetra nandray […]
VAOVAO TAMBATRA
Voaresaka nandritra ny fihaonana an-tampony momba ny « initiative ceinture bleue », andiany fahatelo, tany Maraoka ny famokarana sy fanomezana asa manga hiatrehana ny fiovaovan’ny toetr’andro. Vonona hiara-kiasa amin’ireo firenena aty Afrika rahateo Madagasikara hikajiana ny tontolo an-dranomasina. Miamafy ny delestazy eto Antananarivo sy ny manodidina. Tapaka in-telo farafahakeliny ny herinaratra ao […]




