Mois : octobre 2024

Aretina haromotana : tsy misy fanafana raha vao miseho ny soritr’aretina

Tsy mamela mahazo ny aretina haromotana. Nisy ny hetsika fanaovana vaksiny maimaimpoana ireo alika sy saka teny amin’ny distrikan’Avaradrano ary hitohy any Mahajanga sy Farafangana ary Antsirabe izany. Manohy ny hetsika fa­mantarana sy fahamailoana amin’ny aretina haromotana ny sehatra fanaraha-maso ity aretina ity ao amin’ny kaominina Antana­narivo Renivohitra (Coramad). Nisy […]

Minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana: hohavaozina ny drafi-panajariana ny tany

Notanterahina tetsy Anosy, ny 1 oktobra teo, ny famelabelarana momba ny sarim-panajariana na drafi-panajariana ny tany “Plan d’aménagement”. Natokana ho an’ireo minisitera miara-miasa amin’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT) izany. Nitarika izao adihevitra sy famelabelarana izao ny sekretera jeneralin’ny minisitera, Randriamananjara Anjary Sandrina, ny avy amin’ny sam­pandraharahan’ny […]

OIF: Hisokatra rahampitso ny fihaonana an-tampony faha-19

Tanterahina ao Paris, Fran­tsa, ny 4 sy 5 oktobra 2024, ny fihaonana an-tampon’ny Fran­cophonie, andiany faha-19. Miisa 88 ireo firenena sy go­vernemanta mivondrona ao anatin’ny Organisation Inter­nationale de la Francophonie (OIF). Anisan’ny hia­trika izany ny fitondram-panjakana mala­gasy, tarihin’ny filoham-pire­nena, Rajoelina Andry, miaraka amin’ny vadiny sy ireo mpikambana sasany eo anivon’ny […]

Olan’ny dosie firotsahan-kofidina: mbola afa-mitory ireo kandidà tsy mahazo rariny

Efa ao anatin’ny fandinihana sy ny fikirakirana ireo fitarainan’ny kandidà mpirotsaka hofidina ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina ny eo anivon’ny Ceni, amin’izao fotoana izao. Mbola afaka mampiakatra ny raharaha ireo tsy afa-po. Nam­baran’ny mpampaka-teny eo anivon’ny rafitra mikarakara ny fifidianana, i Soava Andriamarotafika, omaly, tamin’ny antso an-telefaonina fa maherin’ny 30 ireo […]

Minisiteran’ny Fitsarana : namindra fitantanana ny tale kabinetra

Notanterahina teny amin’ny minisiteran’ny Fitsarana, Fara­vohitra, omaly ny famindram-pitantanan’ny tale kabinetran’ ny minisitry ny Fitsarana teo aloha, Rarivojaona Emile. Nan­dray izany ny talen’ny kabinetra vaovao, Rabearisoa Rochel. Tamim-pirahalahiana tanteraka ny famindran-tanana. Nanka­si-traka ny asa vitan’ny tale kabi­netra teo aloha ny tale kabinetra vaovao, izay nilaza fa vonona hanohy ny ezaka […]