Mois : octobre 2024

“Arts &Biodivérsité” : tanjona ny hikajiana ny tontolo iainana amin’ny alalan’ny zavakanto

Nampahafantarina ny mpanao gazety, omaly, nandritra ny valandresaka ireo mpanakanto mpandresin’ny tetikasa “Arts & Biodivérsité”. Hisy kosa ny fampiratiana ireo vokatra, ho an’ny daholobe, manomboka anio hatramin’ny 25 oktobra 2024, eny amin’ny La Teinturerie Ampasanimalo. Tanterahina anio, eny amin’ ny La Teinturerie Ampa­sanimalo, ny lanonana fanolorana ny amboara ho an’ny […]

Oniversiten’i Toamasina : nahazo boky 15840 isa avy amin’ny fikambanana Livres sans frontières

Anisan’ny manampy betsaka ny se­hatry ny fanabeazana ny fananana boky sy ny toerana famakiana boky. Ho an’ny oniversiten’i Toa­ma­sina manokana, nahazo boky maro samihafa avy any Frantsa izy ireo. Nahazo fanomezana b­oky maro samihafa avy amin’ny fikambanana Livres sans frontières, ny oniversiten’i Toamasina. Nanolo­tra izany ho an’ity Anjerima­nontolo iray ity, […]

VAOVAO TAMBATRA

Mitombo isa ireo fiarabe mpitatitra sy mpamatsy rano eto Antananarivo. Mbola misy ihany koa ireo andalam-panamboarana. Hojerena akaiky avokoa ireo toerana mila vonjy. Hatsaraina ny fifandraisana amin’ ny vahoaka eny ifotony hampahomby ny ezaka atao, manoloana ny olan’ny famatsiana rano. Vahaolana fohy ezaka ity atao ity saingy mangataka ny fitohizan’ny […]

mpandraharaha: tantsoroka ny fidirana anaty rafitra

Maro ny tombontsoa azo amin’ny fidiran’ny mpandraharaha anaty rafitra na fikambanana hanatsarany ny lalam-pihariana. Misy ny tohana sy tantsoroka omen’izy ireny hampiroboroboana ny fan­draharahana. « Hanampy azy hamantarany ny lalàna mifehy ny fandraharahana ny rafitra. Hanatsara ihany koa ny vokatra ataony sy ny lalambarotra azo handefasana entana », hoy ny Sekretera […]

Fahy rano…tsy mety fay

Nahomby indray aloha ny paikadin-tseraseran’ny filohan’ny Repoblika, mahakasika ny olon’ny rano sy jiro eto an-dRenivohitra. Nangingina ny mpitabataba eny amin’ny tambajotran-tserasera sy ny mpisintona lakolosy, ary ny mpandrangitra sy ny mpandrehitra afo. Na ny ankamaroan’ny lasibatra aza, mba nanakombom-bava, omaly. Nilokaloka ny hitondra vahaolana rahateo ny mpizaika teny Ambohitsirohitra amin’ny […]