Hotanterahina ny 1, 2, 3 novambra izao, any amin’ny Nosy Boraha, ny «Festival des Pirates» andiany faharoa. Hetsika ara-kolontsaina entina hampiroboroboana ny fizahantany sy ny toekarena ao an-toerana. Hisy ny lalao sy fifaninanana, fanentanana samihafa, ary fampisehoana ataon’ireo artista maro mandritra ny telo andro hanaovana ny hetsika. Hampiavaka ny amin’ity […]
Mois : octobre 2024
SOMBIM-BAOVAO
Namoaka fanambarana ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), omaly, tao anaty tambajotran-tserasera, fa hisokatra eo anelanelan’ny 30 septambra hatramin’ny 15 oktobra ho avy izao ny fifindrana mpilalao eto Madagasikara. Marihina fa tsy maintsy mahazo fankatoavana avy amin’ny klioba nialany ny mpilalao iray vao afaka mifindra. Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy, omaly, […]
Analamanga Taekwon-do ITF: nahatratra 200 mahery ireo niofana
Notontosaina ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Kianja mitafon’i Mahamasina, ny fampiofanana ireo mpikatroka Taekwon-do ITF miisa 200 mahery. Tanjon’ity hetsika nokarakarain’ny kaomisionina rezionaly Analamanga ity ny hamoaka mpilalao hisolotena ny faritra any amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, hatao ny faran’ny volana novambra izao. Ankoatra izay, natao hanamafisana ny […]
Marathon – Mada 2024 : hatao ny 10 novambra ho avy izao
Hanakatonan’ny Federasiona malagasin’ny atletisma ny taom-pilalaovana 2024, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara amin’ny taranja marathon. Hampiantrano izany ny ligin’Analamanga, ny 10 novambra ho avy izao. Handray anjara avokoa ireo ligy 14 mandrafitra ny federasiona, Analamanga, Vakinankaratra, Diana, Boeny, Itasy, Bongolava, Ihorombe, Fitovinany, Atsimo Andrefana, Atsinanana, Alaotra Mangoro, Anôsy, Matsiatra […]
Federasiona malagasy Padel : manana vina ny hampivelatra ny taranja manerana an’i Madagasikara
Afapo tanteraka tamin’ny fifanintsanana “VMoto Padel Trophy” ny Malagasy mpilalao padel. Miisa 36 mianadahy ireo mpandray anjara tonga teny Ambatobe, ny 28-29 septambra teo. Hiezaka ny hanaparitaka ny taranja any amin’ny faritra ny federasiona. Nikarakara fifanintsanana “VMoto Padel Trophy” tetsy amin’ny Lamakoo Padel Center Ambatobe, ny faran’ny herinandro teo, ny […]




