Mois : octobre 2024

TARATRY ny KANTO

“Ny tantaran’ny jazz”. Velakevitra hoentin’i Gina Ramarosaona sy Faniry Ramampy, anio manomboka amin’ny 2 ora tolakandro, izy ity. Ao amin’ny Tranoben’ny kolontsaina ao Vatofotsy Antsirabe no hanaovana izany. Fanokafana sahady ny hetsika “Madajazzcar” izy ity, izay anisan’ny tanàn-dehibe faharoa handray. Manana mpanakanto maro mpiangaly azy ity rahateo i Vakinankaratra. Nampahafantarin’ny […]

« Nofy maitso » andiany fahatelo: efa fantatra ny mpandray anjara

Hotanterahina ny 11 hatramin’ny 18 novambra 2024, ao amin’ny Alliance Française de Tamatave, ny «Nofy maitso-Festival de Slam poèsie et écologie», andiany fahatelo. Mpiangaly «Slam poèsie» ma­ro avy amin’ireo tanàn-dehibe miisa sivy eto Madagasikara, anisan’izany ny avy eto An­tananarivo, Mahajanga, Fia­na­rantsoa, Toliara, Antsira­nana, Antsirabe, Ambositra, Mananjary, Toamasina no handray anjara. […]

Faran’ny herinandro: hisy “Taombaovao” indray

“Lohataona: Taombaovaon’i Madagasikara”. Io indray ny “Taombaovao” manaraka eo, ankalazaina ny 4, 5 ary 6 oktobra ho avy izao. Nisy ny fampahafantarana ny hetsika, nataon’ny Communauté royale de Madagascar (CRM), omaly, tetsy amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy. Fantatra tamin’izany fa hotontosaina ao amin’ny Kianja Masoandro, ao Anatirova ny lanonam-panokafana, ny 4 oktobra […]

Haratsian-dalana : 10 isan’ andro ireo fiara misedra olana amin’ny lalam-pirenenana fahadimy

Mampimenomenona ny ankamaroan’ny mpandeha sy ny mpitatitra ny haratsian-dalana amin’ny lalam-pirenena eto amin’ny Nosy. Raha ho an’ny lalam-pirenena fahadimy manokana, fiara tsy latsaky ny 10 ireo misedra ola­na manoloana izany. Zato kilometatra miainga eo Toamasina ny halaviran-dalana misy an’i Fenoarivo Atsina­nana, izay renivohitr’Ana­lan­jirofo. Mahatratra 8 andro be izao ny faharetan’ny […]