Nambaran’ny filohan’ny Disciples FC Vakinankaratra, Johny Rijaniaina, omaly, fa nalain’ny Enppi Club avy atsy Egypte ny lohalaharan’izy ireo, Randrianarijaona Tendry Mataniah. Maharitra taona iray eo ny fifanarahan’ny roa tonta ary azo havaozina izany. Tsara marihina fa mitana ny laharana fahasivy amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Egypte, diviziona voalohany, ny Enppi […]
Mois : octobre 2024
Baolina kitra, vehivavy – “Cosafa cup”: hidona amin’i Malawi tompondaka ny Barea, anio
Hifantoka atsy Afrika Atsimo indray ny sain’ny mpitia baolina kitra, amin’ity faran’ny herinandro ity. Hiaka-tsehatra mantsy, anio, ny Barea, vehivavy, eo amin’ny fiadiana ny “Cosafa cup”. Hidona amin’i Malawi izy ireo, anatin’ny vondrona “B”. Hiatrika ny andro faharoa amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’ireo firenena aty amin’ny tapany atsimon’i Afrika, taranja […]
VAOVAO TAMBATRA
Nizarana karatra maha mpamokatra ny tantsaha any Ihosy, any amin’ny faritra Ihorombe, ny alakamisy teo. Natolotra tamin’io fotoana io koa ny taratasy maha mpamokatra masomboly matihanina ny tantsaha any Amoron’i Mania, Matsiatra Ambony ary Ihorombe. Teo koa ny fampisehoana ny fampiasana ny milina fanetsana enti-tanana, novokarin’ny tetikasa Defis, eo ambany […]
Vatomandry – Mahanoro : hamboarina ny lalana tena ratsy
Nanome toromarika ny minisitry ny Asa vaventy, Rafidison Richard Théodore, ny hanarenana haingana ireo lalana tena ratsy eto Madagasikara. Nidina ifotony avy hatrany ny teknisiana, ka anisan’ny efa manomboka ny fanamboarana ny toerana tena ratsy amin’ny lalam-pirenena mampitohy an’i Vatomandry sy Mahanoro (RN 11A). Anisan’izany ny eo amin’ny PK 53 […]
Harinkarena faobe : hampakarina 30% ny anjaran’ny indostria
Vinan’i Madagasikara ny hampakatra hatrany amin’ny 30% ny anjara entin’ny indostria ao amin’ny harinkarena faobe. « Lalana mitondra amin’izany ny fanomezan-danja ireo loharanon-karena sy ny fanodinana eny ifotony hanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Antony nanaovana ny tetikasa One district one factory, ahafahana mampisongadina ireo tombony mampiavaka ny faritra », hoy ny minisitry ny […]




