Nikarakara varavarana misokatra tetsy Antaninarenina, omaly, ny fikambanana Koloaina. Nampahafantarina nandritra izany ny momba ny fikambanana, ny fomba fiasany, ny asa ataony ary ny vinany amin’ny taona hoavy manaraka. Miompana amin’ny fampandrosoana ny sosialy ny ankamaroan’ny fandaharanasa ataon’izy ireo, eto an-toerana. Tanjona ny hanovana toe-tsaina eo amin’ireo mpisitraka sy hivelarany […]
Mois : octobre 2024
Fondation Axian: mendrika ho tohanana ny akany Mikolo Fanantenana
Nitondra tolo-tanana ho an’ny akany Mikolo Fanantenana, eny Ambohijanaka, ny Fondation Axian, omaly. Horaisina an-tanana ny hofan-tranon’ny akany mandritra ny taom-pianarana 2024-2025, hanamaivana ny vesatra. Nitondra vary 5 gony sy kojakojam-pianarana ho an’ny ankizy ihany koa izy ireo. Akany mitaiza ankizy kamboty sy zanaky ny fianakavina tena sahirana eny Ambohijanaka […]
“Orange summer challenge 2024”: nisongadina ny tetikasa “Plastikoo”, plastika avadika biriky
Manan-talenta ny tanora malagasy ary nisongadina ny tetikasa efatra tamin’ny an-jatony nifaninana. Mbola hisedra ny mpifaninana aty Afrika ny tetikasa “Plastikoo”, mendrika tamin’ny “Orange Summer Challenge 2024”, hoy ny tale jeneralin’ny Orange Madagascar. Lasan’ny ekipa namolavola ny tetikasa “Plastikoo” ny tetikasa mendrika anatin’ny “Orange Summer Challenge” taona 2024, andiany fahatelo, […]
INDRAY MIJERY
Mbola mila fanentanana goavana ny fandresen-dahatra ny olona hanao fitiliana ny tsimokaretina VIH, hahazoany mandray fanapahan-kevitra hitondrany ny tenany. Raha miiba (-) ny fitiliana, misy mpisehatra afaka manoro hevitra amin’ny fiarovana mahomby. Raha miabo (+) kosa, manana sampandraharaha mandray an-tanana ny fitsaboana miaraka amin’ny fanafody maimaimpoana ary ny toromarika rehetra […]
Ady amin’ny fanararaotana mamoafady: Arifomba ny fitaovana ampiasain’ny polisy
Nanolotra fitaovana ho an’ny sampandraharaha miady amin’ny heloka ana habaka ny masoivoho amerikanina, ny alakamisy teo. Entina hanamafisana ny ezaka hiadiana amin’ny fanararaotana mamoafady atao amin’ny ankizy amin’ny internet ny fitaovana. Miendrika famarinan’olona izany ary heloka ana habaka izay miha mivoatra hatrany. “Amin’izao vanim-potoana niomerika izao, tsy eo amin’ny fiarahamonina […]




