Hitondra tombontsoa ho an’ny mpandraharaha sy hampiroborobo ny fifanakalozana ara-barotra ary ny toekarem-pirenena ny fankatoavan’i Madagasikara ny Zlecaf. Tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra, ny alarobia, ny fankatoavana ny fifanarahana fametrahana ny faritra malalaka ara-barotry ny kaontinanta afrikana (Zlecaf). Tanjona ny hanamora ny fifanakalozana ara-barotra eo amin’ireo firenena mpikambana ao […]
Mois : octobre 2024
ONUDC : nanolotra solosaina ho an’ny Polisy
Nisitrika solosaina hampiasain’ny polisy amin’ny ady amin’ny famarinan’olona sy ny fanararaotana ara-nofo mianjady amin’ny zaza ny sampandraharaha ao amin’ny Firenena mikambana miady amin’ny zava-mahadomelina sy ny fandikan-dalàna ONUDC, tetsy Anosy, afakomaly. Ny minisiteran’ ny Filaminam-bahoaka, izay nanao ho laharam-pahamehana amin’io ady io. Nanamafy izany rahateo ny Contrôleur géneral de Police […]
Nifanenjehan’ny fokonolona : roa lahy nangalatra kisoa voasambotra
Nosamborin’ny fokonolona ireo roa lahy nilanja kisoa tamin’ny gony tao Antady, fokontany Tsenamasoandro, kaominina Imerintsiatosika, omaly. Vao maraina, nilanja zavatra tamin’ny gony ireo olona roa lahy ireo. Nampiahiahy ny fihetsik’izy ireo saingy tsy afa-nanao na inona na inona ny olona nahita azy. Namikiviky niova lalana, noho izany, ireo mpangalatra. Nenjehin’ny […]
Sokatra VERY tetsy Tsimbazaza : eo am-pelatanan’ny zandary ireo ahina
Efa eo am-pelatanana sy efa arahi-mason’ny zandarimariam-pirenena mpanao famotorana ireo olona nahiana sy voarohirohy tamin’ny halatra sokatra, Pyxisarachnoides sy Artrochelysradiata, miisa 10, tao amin’ny valan-javaboahary Tsimbazaza, ny alin’ny talata teo. Olona roa fara fahakeliny no fantatra fa efa voasambotra mahakasika izany. Niditra avy hatrany tamin’ny fikarohana sy fitondrana alika mpitsongo-dia […]
Semipi Fianarantsoa : matotra ny fiaraha-miasa amin’ny Oniversiten’i Fianarantsoa
Tontosa ny alakamisy 24 oktobra 2024 teo ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny taom-pianarana 2024-2025 ho an’ny Sekoly miaramilam-pirenena (Semipi) Beravina Fianarantsoa. Tonga nanome voninahitra ny lanonana ny minisitry ny Foloalindahy (MFA), ny Jly Sahivelo Lala Monja Delphin, izay nanamafy tamin’ireo mpianatra fa zava-dehibe ny fanarahana ny fitsipi-pifehezana, ny fahaiza-miaina […]




