Volavolan-dalàna maro no nolaniana teny anivon’ny Antenimierampirenena, omaly, nandritra ny fivorian’ireo mpikambana. Anisan’izany ny volavolan-dalàna laharana faha-006/2024, tamin’ny 07 febroary 2024, sy ny volavolan-dalàna laharana faha-013/ 2024, tamin’ny 13 jona 2024. Ireo volavolan-dalàna ireo izay mifantoka kokoa amin’ny angovo azo havaozina sy ny fanatsarana ny fari-piainan’ny vehivavy. Tsiahivina fa ny […]
Mois : octobre 2024
Fihaonambe ho an’ny hoavy : miray vina amin’ny fanatanterahana ireo fanamby ny fitondram-panjakana
Notanterahana, omaly, ny famerenana ny fihaonambe ho an’ny hoavy natao tany New York, ny 20 hatramin’ny 23 septambra teo. Teny amin’ny Foiben-toeran’ny minisiteran’ ny Raharaham-bahiny malagasy, teny Anosy, no natao izany. Nitarika ny fihaonana ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika, notronin’ny mpandrindra mpisolo toerana eo anivon’ny Firenena mikambana, Josiane Yaguibou, […]
Tsy mikely soroka
Mihazakazaka ny fitadiavana fiaraha-miasa amin’ny firenena ivelany, ankehitriny. Tsy mandry andro, tsy mandry alina ny filohan’ny Repoblika amin’ny fikarohana lalam-bola. Tsy mifidy mpiara-miombon’antoka intsony fa izay vonona ny hitondra ny anjara birikiny dia « tonga soa ». Tsy mihanona amin’ny mpamatsy vola mahazatra sy ny tandrefana intsony i Madagasikara fa manatona […]
Filoha Rajoelina : “Hanova an’i Madagasikara isika”
Nisy ny fifanakalozan’ny delegasiona avy amin’ny andrimpanjakana any Émirats Arabo Mitambatra sy ny governemanta malagasy, omaly. “Hanova an’i Madagasikara isika”, hoy ny filoha Rajoelina. “Hanova an’i Madagasikara isika. Zava-dehibe izay. Manomboka amin’ny minisitra izany. Eo koa ny mpitarika eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika”, hoy ny filoha Rajoelina Andry, omaly, teny […]
TSELATRA
Olona efatra notanana vonjimaika any am-ponja noho ny fanimbana fananan’olona sy fanakorontanana nandritra ny fitokonana nataon’ izy ireo teny Ambohipo, ny 21 oktobra lasa teo. Raha tsiahivina, nidina an-dalambe nandoro kodiarana sy nitora-bato mpitandro filaminana ny mponina teny an-toerana, tamin’io andro io, noho ny fanehoan’izy ireo ny fahatezerany manoloana ny tsy […]




