Anisan’ny fitaovam-piarovana tsy hiparitahan’ny tsimokaretina VIH/Sida ny fimailo sy ny fitaovam-pitsindromana azy manokana ho an’ireo mandray zava-mahadomelina amin’ny alalan’ny tsindrona. Tetikasa voalohany manampy ireo olona mandray zava-mahadomelina ny fanoloana ny fitaovana maloto isan-kerinandro sahanin’ny fikambanana Ainga Aides. Fitaovam-piarovana tsy hahatongavana amin’ny fiparitahan’ny tsimokaretina VIH/Sida ny fisitrahana fitaovana fitsindromana (seringue) ho […]
Mois : octobre 2024
TARATRY ny KANTO
Tanterahina anio, manomboka amin’ny 10 ora maraina, eny amin’ny La Colline- Maison sociales des arts Ambatovinaky, ny hetsika « Philosophie de l’art contemporaine ». Velakevitra iarahana amin’ny Dr Razafimandimby Ghislain Antonio, izy ity. Ao anatin’izany no hiresahana ny maha izy ny zavakanto ankehitriny, indrindra manoloana ny fanatontoloana. Eny amin’ny Canal Olympia Andohatapenaka […]
Sinema malagasy ; Feno ny «Disco Afrika: une histoire malgache »
Tontosa omaly, teny amin’ ny Cinepax Ambodivona, ny tafa sy velakevitra fampahafantarana ny horonantsarimihetsika « Disco Afrika: une histoire malgache ». Niatrika izany ny mpanatontosa sy mpamokatra ity horonantsary ity, notronin’ireo mpahay horonantsary sy mpanao gazety. Tanjona ao anatin’izany ny fampahafantarana ity « Disco Afrika: une histoire malgache” ity indrindra amin’izao fahatongavany eto Madagasikara […]
Faha-95 taonan’ny Tropy Jeannette: hira teatraly ranoiray no haseho an-tsehatra
“…Io ny tarik’Andriatinarivo”. Ampahan’ny tonon’ilay hira nampahafantarana ny Tropy Jeannette io. Io no nosafidiana hanamarihina ny faha-95 taonan’ity tropy teatraly zokiny indrindra eto Madagasikara ity. Fampisehoana hira teatraly ranofotsiny mantsy no hanamarihina izany, rahampitso alahady 27 oktobra, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro, eny amin’ny Alliance Française Andavamamba. Hira izay notsongaina […]
“Festi-Sôva” andiany faha-7 : homena sehatra ireo kalaza amin’ny vakisaova
Hetsika ara-kolontsaina miharo fanabeazana ny “Festi-Sôva”. Hiara-dalana ny zavakanto sy ny fanentanana isan-karazany amin’ity andiany faha-7 ity. Hivelatra kokoa noho ny teo aloha ny hetsika. Hazo Midoroboka avy eny Ampamarinana, Gasy Misôva Behoririka, Tara-pahazavana Andraisoro, Fanja Anjanahary Misôva, Black Collection Andranomanalina, Fitarikandro Tsiadana, Kintan’ny Alina Antohomadinika, sns. Tarika mivoy ny […]




