Raim-pianakaviana iray hita faty nihantona tamin’ny tady, nikirozaroza tamin’ny hazo mirefy eo amin’ny dimy metatra eo ho eo, tao amin’ny fokontany Ambodivandrika, kaominina ambanivohitr’Ilaka Atsinanana, distrikan’i Vatomandry, ny sabotsy hariva teo. Nahazo fanairana avy amin’ny sefo fokontany Ambodivandrika ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Ilaka Atsinanana momba ny fisian’ity raim-pianakaviana mihantona amin’ny tady ity, ka nidina haingana teny an-toerana nahitana azy. Voamarina tokoa ny fisian’ity niharam- boina ity. Nandritra ny fizahana nataon’ny dokotera avy ao amin’ny CSB2 no nahitana fa mifatotra amin’ny tady mirefy telo metatra ny tendany. Tsy nahitana ratra ny vatany, ankoatra ny diana fatotra teo amin’ny tendany. Ny valin’ny fizahana nataon’ny dokotera no nahafantarana fa namono tena izy. Mipetraka ao amin’ny fokontany Ambodivandrika ihany izy. Efa natolotra ny fianakaviany ny razana taorian’ny fizahana. Mbola mitohy kosa ny fanadihadiana ataon’ny zandary amin’ny antony nahatonga azy hamono tena. Nambaran’ny fianakaviany anefa fa tsy nanana olana teo amin’ny fiarahamonina izy tamin’ny fahavelony. Andrasana, araka izany, ny valin’ny fanadihadiana.
J.C




