Fanafihana mitam-piadiana : maty voatifitry ny polisy i Ndaty

Lavon’ny balan’ny polisin’ny UIR teny Antsalovana 67 ha, ny sabotsy tamin’ny 9 ora sy 30 mn, ny jiolahy raindahiny sady mpamerin-keloka, fantatra amin’ny anarana hoe i Ndaty. Malaza ratsy amina halatra mitam-piadiana mahery vaika i Ndaty, araka ny fanazavan’ny polisy. Nahazo loharanom-baovao mialoha ny polisy momba ny fisiana andian-jiolahy mikononkonona hanao fanafihana mitam-piadiana ao amina mpivarotra mpamongady iray eny 67ha. Nametraka ny paikady rehetra amin’ny hahafahana manara-dia ireo jiolahy ny polisin’ny UIR ka tratra i Ndaty mpamerin-keloka. Niaiky tokoa i Ndaty fa miomana hanao fanafihana izy sy ireo namany tamin’io sabotsy alina io. Nanaiky izy fa hitarika ireo polisy hanoro ny toerana iarahany mivory amin’ireo namany. Nony tonga teo amin’ilay toerana misy ireo jiolahy, nanome fanairana ireo namany i Ndaty ka nisy fifampitifirana teo amin’ireo jiolahy sy ny polisy. Voatifitra nandritra ny fifandonana ity jiolahy ity ka maty tsy tra-drano. Basy PA iray niaraka tamin’ny antsy lavalela no hita teny aminy nandritra ny fisavan’ny polisy. Mitohy ny fikarohan’ny polisy ireo jiolahy naman’i Ndaty.

J.C

Partager sur: