FANTINA sy FINTINA

Nanambara ny eo anivon’ny RMDM fa manohana ireo kandidàn’ny Tim sy ny eo anivon’ny Firaisankina, amin’izao hiatrehana ny fifidianana ben’ny Tanàna sy ny mpanolotsaina izao. Vonona ho amin’ny famondronan-kery koa izy ireo ho amin’izany. Notsikerain’ny RMDM koa ny fomba fitantanan’ny mpitondra sy izao olana sosialy izao.
Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ ny Kianja mitafo Mahamasina ny fanolorana sy fampahafantarana ny kandidà laharana fahafito milatsaka ho fidina ben’ny Tanànan’Antananarivo, Harilala Ramanan­tsoa. Manam-pahefana sy olom-boafidy maro no niatrika izany. “Tranobe iombonana ity Antananarivo ity ka fianakaviana iray isika: miara-mamindra, miara-mandroso.”
Efa anatin’ny fanadihadiana ireo endrika fanakorontanana sy fihantsiana anaty facebook ny mpitandro filaminana, araka ny nambaran’ny Prefet, ny Jly Ravelonarivo Angelo, ny zoma teo. Nambarany koa fa tsy nisy nahazoana alalana ny hetsika rehetra hatreto ka handray andraikitra avy hatrany ny mpitandro filaminana raha mbola mitohy izany.
Nanao fanambarana fanohanana ny kandidà Razafinjoelina Tahina ny MFM Antananarivo Renivo­hitra. Nambaran’izy ireo ho anton’ny fanohanana ny vinan’ity kandidà ben’ny Tanàna ity mifanaraka amin’ny vinan’ny “Mafana”. Eo koa ny fananan’ny kandidàn’ny Tia tanindrazana fahaiza-manao sy traikefa hahafahany manatanteraka izany.

Partager sur: