Mbola resabe eny Tsimbazaza ny mahakasika ny fitakiana na tsia ny fiara tsy mataho-dalàna ho an’ny depiote. Milaza tsy miady izany ny depiote mpanohitra, araka ny nambaran’ny sekretera jeneralin’ny Tim sady depiote voafidy tamin’ny anaran’ny vondrona Firaisankina, Antananarivo IV, Randriamasinoro Ny Rina. “Raha ho anay eo anivon’ny fanoherana, tsy mitaky fiara 4 x 4 izany. Hataoanay inona moa izany amin’izao zavatra iainana izao? Raha ny tianay: avereno ny solika mba hahazoanay miasa. Mba hahazoanay manao izay zavatra tokony hataonay izany” , hoy izy teny Tsimbazaza, ny faran’ny herinandro teo.
Ankoatra izay, nilaza izy fa tsy misy depiote mitaky fiara 4 x 4. Mifanohitra amin’izany aza ny zava-misy. Nambarany fa indray mandeha ihany ry zareo no nahazo solika, mitovy amin’ ny zo noraisin’ny depiote teo aloha. Taorian’izay, notapahina ny solika. Nilazana izy ireo fa tsy maintsy omena fiara 4 x 4. Araka ny fanazavany, ny solika no hakana handoavana ny vidin’ny fiara 4 x 4 mandritra ny dimy taona. ”Tsy misy teny ierana izany. Tsy misy fangatahana natao. Izay fotsiny ny fanapahana hoe: notapahina ny solika mba hahazoana manefa ny vidin’ny fiara 4 x 4. Raha misy fiara 4 x 4 ho avy eo, tsy natolotry ny fanjakana na inona fa volan’ny depiote amin’ny alalan’ny vidin-tsolika. Betsaka no tsy mankasitraka. Fa tonga amin’ny hoe tian-kano tsy tian-kano”, hoy hatrany izy.
R. Nd.




