Naratra mafy ireo polisy efatra niharan’ny fitsaram-bahoaka teo am-panatanterahana ny asany, tao Sakaraha, omaly. Nohazonin’ny fokonolona niaraka tamin’ny fitaovam-piadiana izy ireo.
Naratra avokoa ireo polisy miisa efatra vokatry ny fitsaram-bahoaka tao amin’ny kaominina Miary Lamatihy, distrikan’i Sakaraha, omaly. Nisambotra olona tao amin’ny tanànan’Ankilimena ireo mpitandro filaminana ireo. Niaraka tamin’ny olon-tsotra iray mpitari-dalana ireo polisin’ny Fip ireo. Voasambotra ny lehilahy iray tao amin’io tanàna io. Nahita ny zava-nitranga, niantso vonjy tamin’ny mponina tao Bepeha ny fokonolona tao Ankilimena. Nambaran’ireto farany fa mpaka an-keriny ireo mpitandro filaminana nisambotra ilay lehilahy iray. Raikitra ny sahotaka satria nosakanana ireo polisy. Nifanenjehan’ny mponina avy amin’ny tanàna roa tonta indray, araka izany, ireo mpitandro filaminana sy ny lehilahy iray nitari-dalana.
Nifanenjehana
Tra-tehaky ny fokonolona nandritra ny fandosirany ilay lehilahy iray nitari-dalana ny mpitandro filaminana. Nanararaotra nidaroka sady nikasi-tanana azy ny fokonolona. Ankoatra izay, nifanenjehan’ny mponina koa, ny polisin’ny Fip efa-dahy. Tsy lasa lavitra ny telo lahy. Nohazonin’ny fokonolona izy ireo sady nanamparany fitsaram-bahoaka. Toraa izany ilay fahefatra tratra farany.
Niaraka voatana ireo mpitandro filaminana efatra ireo. Namoy ny ainy vokatry ny daroka nahazo azy anefa ilay olon-tsotra nitari-dalana azy ireo. Nidina ifotony nanafaka ireo polisy notazomin’ny fokonolona ny tomponandraikitry ny filaminana ao Sakaraha. Vokany, avotra soa aman-tsara avokoa izy efa-dahy saingy naratra noho ny daroka nataon’ny fokonolona. Nisy iray namoy ny ainy ihany koa tamin’ireto farany.
Tsiferana R.




