Fitrotroana am-bavaka ny firenena : namaly ny antson’ny FFKM i Harilala R.

Notanterahina afakomaly tolakandro, teny amin’ny FJKM Andrianarivo Fahasoa­vana, ny fotoam-pivavahana iraisam-pinoana ho fitondrana am-bavaka ny firenena sy ny hiatrehina ny fifidianana ben’ny Tanàna, indrindra ny eto Antananarivo Renivohitra. Anisan’ireo tonga namaly ny fanasana avy amin’ny FFKM ny kandidàn’ny Irmar, Rama­nantsoa Harilala. Nanatrika ny fotoana sy niara-dia taminy ihany koa ireo mpiray lisitra aminy eo anivon’ny mpanolotsaina monisipaly. Anisan’ny hafatra sy teny fampianarana nentin’ireo mpitondra fivavahana nandritra izany fotoam-pivavahana izany ny mba hitondran’ny kandidà fiovana sy fivoarana eo amin’ny fiarahamonina. Mifanojo tanteraka amin’ny vinan’ny kandidà Ramanantsoa Harilala rahateo izany ny amin’ny hitondrana fanovana sy ho an’ny tsaratsara kokoa ho an’Antana­narivo Renivohitra.
Anisan’ireo namaly ny antson’ny FFKM tamin’izany koa ny kandidà Razanamasy Ndriana, Razafinjoelina Tahi­na ary Monja Roindefo Zafi­tsimivalo. Samy notronin’ireo mpanolotsainy avy izy ireo.
Etsy andaniny, nanambara ny eo anivon’ny Ceni, ny mpampakateny, i Soava An­dria­marotafika, anisan’ny niatrika izany fa anatin’ny andraikitry ny fiangonana ny mitondra am-bavaka sy mitsodrano ny zanany. Nanamafy izany ny tonian’ny FFKM, ny Rev Ranaivoarivelo Tahina, fa amin’ny maha raiamandreny ny fiangonana azy ireo no antony nanatanterahana ny fotoam-pivavahana.
Tsiahivina fa efa nantanteraka fotoam-pivavahana sa­hala amin’izao koa ny FFKM ho an’ny faritra sy toerana hafa ary hitohy hatrany izany.

Synèse R.

Partager sur: