Mois : novembre 2024

Depiote Rajerison A : “ambanin-javatra ny Fambolena”

“Lasa ambanin-javatra loatra ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana. Any amin’ny laharana faha-6 no misy azy, raha ny fampiasam-bola no resahina ao anatin’ny fanjakana amin’izao fotoana izao.” Io ny fanehoan-kevitry ny depiote tsy miankina voafidy tany Arivoni­mamo tamin’ny anaran’ny Fivoi, Randriam­ampianina Rajerison Antoine, teny Tsimbazaza, afakomaly, ny amin’ny volavolan-dalàna mifehy […]

SOMBIM-BAOVAO

Fantatra, omaly, ireo ekipa 21 amin’ny 24 efa tafita hiatrika ny “Can Maroc 2025”. Ankoatra an’i Maroc, mpampiantrano, ao ihany koa i Côte d’Ivoire, tompon­daka farany, i Cameroun, Comores, Soudan, Benin, … Firenena iray goavana amin’ny baolina kitra tsy miatrika ity Can ity kosa i Ghana. Laharana farany tao amin’ny […]

Noho ny vokatra ratsy azon’ny Barea : maniry hihaona amin’ny FMF ny lehiben’ny ligy

Taorian’ireny vokatra azo nandritra ny fifanintsanana hiadiana ny tapakila hiatre­hana ny “Can Maroc 2025”. Maniry ny hiresaka amin’ny filohan’ny Federasiona mala­gasin’ny baolina kitra (FMF), Randriamanampisoa Alfred, ireo lehiben’ny ligy sasantsasany eto Madagasikara, araka ny loharanom-baovao voaray, omaly. Anton’ity fihaonana ity ny hifampizarana ny tena olana mianjady amin’ny baolina kitra ankehitriny, […]

Handball – “CCCOI 2024” : resin’i Case Cresson­niere ny THBC

Nitohy omaly, tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny andro fahadimy hiadiana ny ho tomponda­kan’ny ranomasimbe Indianina, taranja handball, ho an’ny ekipa tompondaka (CCCOI 2024). Tojo faharesena fanindroany ny THBC Madagasikara teo amin’ny sokajy vehivavy. Lavon’ny Case Cressonnière La Réunion, tamin’ny isa 27 no ho 10, ity ekipa ity. Nanantombo teo […]

3FB Rugby: “Handefa mpilalao mahay any am-pita”, hoy i Clément

Anisan’ireo ekipa goavana mametraka ny anarany eto Madagasikara ny 3FB rugby. Ankehitriny, tsapan’ireo mpilalao tranainy fa marary ny klioba ka hitakiny ny hialan’ny filoha mpitantana sy ny mpanazatra ary hanolotra izany amin’ ireo mpilalao tranainy. Tsy mitsahatra ny mitaky ny fialan’ny filoha sy ny mpanazatra ny 3FB rugby ireo mpilalao […]