Hisy ny hetsika « Sokaf’hehy » tanterahina eny amin’ny CGM Analakely, anio tolakandro. Hetsika misokatra ho an’ny mpanakanto misehatra eo amin’ny fanaovana hatsikana, indrindra ny “Stand-Up”. Ankoatra ny fampialàna voly, tanjon’ny hetsika ny fanomezana sehatra ireo mpiangaly hatsikana sy ny fampiroborobona ny hatsikana “Stand Up”. Noraisin’ny minisiteran’ny Serasera sy kolontsaina, Volamiranty Mara […]
Mois : novembre 2024
Malala Andrialavindrazana : mahaliana ny vahiny ny fampirantiany
Anisan’ny fampirantiana mahasarika mpitsidika maro ny rantin’i Malala Andrialavindrazana ao amin’ny Palais de Tokyo Paris. Mpianatra, mpandalina momba ny zavakanto, mpanakanto miangaly hosodoko maro no tonga nijery izany. Anisan’izany i Pascal Lièvre, Emmanuelle Hamon. Raha tsiahivina, “Figures” no anarana nampitondraina izany hetsika izany, ahitana hosodoko amin’ny rindrina mirefy 60 metatra […]
«Reko Tour 2024» : Seho ho feno fihetseham-po…
Manakaiky ilay fotoan-dehibe. Fanamby goavana ho an’ny Reko Band ny seho izay hotontosainy ny 22 desambra izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro, eny amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina. Nisy ny fihaonan’ny tarika tamin’ny mpanao gazety, nanomezana ny andinindiny, omaly, tetsy amin’ny foiben’ny Telma Andraharo. Fantatra fa famaranana ny […]
Mahasoa sy mahafinaritra : hanolotra ny « Mizara hafaliana » ny tarika Haga, Miantsa Magis…
« Mizara hafaliana », seho ho fanampiana sy fanatsarana ny fotodrafitrasa handraisana ny zanaky ny sahirana. Fa, seho hitondra hafaliana koa satria tarika sy mpanakanto sangany no handray anjara. Antoko mpihira Miantsa magis, tarika Haga amin’ny endriny feno, Mamina Kanto Gasy sy Ravaka. Tarika sy mpanakanto samy miezaka ny hanandratra […]
Tsy fahasalaman’ny reny mitondra vohoka: teraka tsy tonga volana ny 38% ny zaza eto Madagasikara
Tranga mateti-piseho eto Madagasikara ny fahaterahan’ny zaza tsy tonga volana. Antony matetika mahatonga izany ny aretina eo amin’ilay reny mitondra vohoka. Mahatratra 13,15 tapitrisa ny zaza teraka tsy tonga volana maneran-tany, raha ny antontanisa voaray avy amin’ny Support the premature. 11 800 izany tamin’ny 2019, raha ho an’i Madagasikara manokana. […]




