Mois : novembre 2024

FANTINA sy FINTINA

Nandray anjara tamin’ny fivoriana tsy ara-potoan’ny filankevitry ny minisitry ny SADC tany Harera, ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafara­vavitafika, araka ny fampitam-baovaon’ny minisitera, omaly. Ny amin’ny olana any RDC. Nohamafisiny ny maha zava-dehibe ny fitadiavam-bahaolana noho ny tsy fandriampahalemana ho amin’ ny fampandrosoana aty amin’ny faritra. Mitondra fanatsarana ny fandaharanasa […]

Kandidà Ndriana Razanamasy : tsy hampanofinofy ny mponin’Antananarivo

Nitafa tamin’ny mpanao gazety tetsy amin’ny QG Ambodiroatra Antsakaviro ny kandidà ho ben’ny Tanàna, Ndriana Razanamasy, omaly tapakandro maraina. Fotoana nanombohany ny fampielezan-kevitra ataony eto Antananarivo. Nanao fanambarana mahakasika ny fahavononany amin’ny fifidianana sy ny fanolorany ny vinany ary ny fampahafantarana momba ny tenany izy, tamin’izany. «Tsy hampanofinofy sy hanao […]

Mahaiza misafidy!

  Raikitra indray! nisokatra omaly ny fotoan’ny fampielezan-kevitra. Maresadresaka ny tanàna. Afakafa-boly indray aloha ny vahoaka. Ny tsy misy atao afaka mikarama, manamaro isa. Ny tsy an’asa afaka manantena mana avy any amin’ny kandidà. Iaraha-mahalala fa misy ny fomba izay tsy hita ny maharatsy azy: ilay fanoloram-potsiny sy fihinanana ilay […]

Fampielezan-kevitra: Samy manana ny paikadiny ny kandidà

Raikitra! Nanomboka omaly ny fampielezan-kevitra ho an’ireo kandidà hofidina ho ben’ny Tanàna, manerana ny Nosy. Samy manana ny paikady handresen-dahatra ny mpifidy izy ireo. Nisokatra omaly, haharitra 21 andro, ny fampielezan-kevitra ho an’ireo milatsaka hofidina ho ben’ny Tanàna. Samy manana ny fomba niatrehany izany ny kandidà isanisany. Ho an’ny Kaominina […]

TSELATRA

Nitrangana firehetana tanety teny amin’ny manodidina ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato, omaly tolakandro. Tsy fantatra ny niandohan’ny firehetana fa ny afo efa nijoalajoala no nahataitra ny manodidina. Voa­tery niato mihitsy aloha ny sidina noho ny fifehezana ny afo. Niverina tamin’ny laoniny ihany anefa izany. Mandeha ny famotoran’ny zandary. Tafakatra dimy ny […]