Pas si loin, Mer et Fleuve , Soleil et Lune , la libre évasion simplement
Mois : novembre 2024
Zaza kambotin’ny polisy : nahazo tohana avy amin’ny masoivohon’i Etazonia
Nanolotra boky miisa 600 ho an’ny akany fitaizana zaza kambotin’ny polisim-pirenena, ao Ambatolampy, ny Masoivohon’i Etazonia eto Madagasikara, Richard Hays. Natao hampitaovana sy ho fanampiana ireo ankizy beazina eo anivon’ny akany ireto boky ireto. Ahitana boky fampianarana, boky natokana ho an’ny ankizy ary « roman » ireto natolotry ny Amerikanina ireto. Nandray […]
Sehatry ny jono: hitondra ny feon’ireo Nosy aty Afrika i Madagasikara
Voatendry ho mpitondra ny feon’ireo Nosy rehetra aty Afrika i Madagasikara. Nivoitra izany tamin’ny fihaonan’ireo firenena mikambana ao anatin’ny Vovonana SIDS/Pied ho an’ny jono sy toekarena manga. Hifarana anio, ao Naivasha Kenya, ny kongresy faharoa eo anivon’izany vovonana izany rehefa nanomboka afakomaly. Fihaonan’ireo komity mpanantanteraka eo anivon’ny tambajotran’ny fampamokarana anaty […]
SOMBIM-BAOVAO
18 ireo mpanamory handray anjara amin’ny “Rallye des litchis”. Fifaninanana hatao ny sabotsy 16 novambra ho avy izao, karakarain’ny klioba AC 501. Dingana fahadimy amin’ny fifaninanam-pirenena eo amin’ny familiana fiarakodia izy ity. Tsy ao anaty lisitra i Mathieu sy i A.T izay efa voahosotra ho tompondakan’i Madagasikara 2024. Hizara roa […]
Asief nasionaly 2025 : tsy mandray anjara izay tsy manana “matricule”
Nandray fanapahan-kevitra hentitra mahakasika ny fitsipi-pifehezana eo anivon’ny Asief (Association sportive interministérielle pour L’entretien des fonctionnaires) ny biraon’ny Asief. Tsy afaka mandray anjara amin’ny Lalaon’ny mpiasam-panjakana intsony manomboka izao izay tsy manana laharana, “matricule”. Io no nambaran’ ny filohan’ny Asief, Andrianarison Jhon Love, omaly, tetsy amin’ny Lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina. Nohamafisiny […]




