Mois : novembre 2024

INDRAY MIJERY

Hiditra amin’ny vanim-potoan’ny orana isika atsy ho atsy ka efa samy manao ny ezaka amin’ny fanadiovana ireo lakandrano ny isan’ambara­ton­gany .Nanadio ny lakandrano mirefy 260 m, teny Faliarivo Ambanidia sy Ampasanimalo, ny CUA ny SMA niaraka tamin’ireo orinasa manodidina eny an-toerana. Nofanina ireo mpitatitra sy tompona fiara ary ireo mpandrindra […]

Fitantanana ny fako : natsangana ny tetikasa “Gesda”

Ho fitantanana ara-drariny ny fako sy ho fahadiovan’ny tanànan’Antananarivo, natsangana ny tetikasa “Gesda” izay fanavahana ny karazana fako miainga any amin’ny isan-tokantrano. Mila apetraka isan-tokantrano ny fahaizana manavaka ireo karazana fako, ny plastika, ny fako mora lo, ny tavoahangy… hanamora ny fitantanana azy. Afaka ahodina avokoa ny karazana fako rehefa […]

Fampianarana teknika : miara-miasa ny LTP Beravina sy ny Semipi

Nihaona tamin’ireo mpampiofana sy mpandraharaha eo anivon’ny LTP Beravina Fianarantsoa, ny minisitry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, Rasolo­arisoa Marie Marcelline. Nohamafin’ny minisitra fa zava-dehibe ny fidinana toy izao ahafantarana ny mety ho olana sedrain’ny Lycée teknika. Hitondra vahaolana mifanaraka amin’izany ny minisitera, araka izay tratra sy azo atao, […]

Fivoriana faha-33 Africa Rice : mizara ny paikady hampiakarana ny voka-bary i Madagasikara

Madagasikara no nandray ny fivoriana faha-33 ny filankevitry ny minisitra mpikambana ao amin’ny Africa Rice, 28 ny firenena mpandrafitra izany. Voalohany no mampiantrano ny fivoriana isika taorian’ny fidirana ho mpikambana ao amin’ny Africa Rice, ny taona 2011. “Vondrona afrikanina misahana ny fampiroboroboana ny famokaram-bary ny Afrika Rice ka ny minisiteran’ny […]

Filoha nasionalin’ny MMM: “Tokony hahay haka lesona ny mpitondra”

Nitondra ny heviny, manoloana ny raharaham-pirenena, ny filoha nasionalin’ny MMM, Andrianarivelo Hajo. Notsia-hiviny fa maro ireo nilaza azy ho mafy teto. Tsy refesi-mandidy ary tompon’ny tanàna fa ratsy fiafara avokoa, araka ny nambarany. “Misy tsy mahay mandray lesona mihitsy ny eto amitsika…”, hoy izy. Nanteriny fa mila fandinihana sy fane­tren-tena […]