Mois : novembre 2024

Barea de Madagascar : vonona handresy an’i Tunisie

Hifantoka ao amin’ny kianja Loftus Versfeld Stadium Pretoria, Afrika Atsimo, avokoa ny sain’ny mpitia baolina kitra rehetra, anio. Hotanterahina amin’ity alakamisy ity mantsy ny fihaonana miverina hikatrohan’ny Barea de Madagasca sy ny Aigle de Carthage Tunisie. Lalao tafiditra amin’ny andro fahadimy amin’ny fifanintsanana hiadian-toerana ho an’ny “Can 2025”, hatao any […]

Basikety-“Africa Cup 3×3”: vonona amin’ny fandraisana i Madagasikara

Hotanterahina eto Madagasikara, ny 29 novambra hatramin’ny 1 desambra izao, eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja basikety 3×3. Vonona amin’ny fandraisana i Madagasikara. Efa tomombana amin’ny ankapobeny ny fandraisan’i Madagasikara ny “Africa Cup 3×3”, izay higadona afaka tapa-bolana, araka ny tatitra nataon’ny Federasiona ma­lagasin’ny basikety […]

Lonilony : lehilahy voatondraka asidra

Notondrahan’ny tovolahy iray asidra ny zazavavy kely tokony ho 2 taona monina etsy Anosibe, afakomaly tokony ho tamin’ny 9 ora alina teo. Ni­ditra tampoka tao an-tokantranon’ ireto olona ireto izy ary nanondraka asidra avy hatrany ilay zaza, mbola nofahanana sa­kafo. Niaro azy ny rain’ilay zaza ka nitobaka tany aminy avokoa […]

DCCA Soanierana : nomena mariboninahitra ireo mpiasa nahavitabe

Nanamarika ny andron’i Masindahy Martin, olomasina mpiaro ny fitantanan-draharahan’ny Tafika, ny eo anivon’ny DCCA Foibe fitantanan-draharahan’ny Tafika, ny 11 novambra 2024, toy ireo tafika maneran-tany mankalaza izany. Roa andro ny fankalazana ka nisy ny fanolorana mariboninahi-pirenena ho an’ireo miaramila nahavitabe teo anivon’ity sampandraharaha ity, notontosaina teny anivon’ny foiben’ny DCCA Soanierana. […]

Fiaraha-miasa : haka traikefa amin’ny Tafika Egypsianina ny Malagasy

Nitsidika ny minisitry ny Foloalindahy (MFA), ny Jly Sahivelo Lala Monja Delphin, teny amin’ny toeram-piasany, Ampahibe, omaly, ny Jly Mohamed Abdelsadek Abdelgil Farg, tomponandraikitra ny fiarovana egyptianina. Nanamafy ny fahavononan’i Egypta hiara-miasa ara-tafika amin’ny firenena malagasy izao fihaonana izao. Fiaraha-miasa hiompana amin’ny fampiofanana miaramila malagasy amin’ny sehatrasa maro mba hampitomboana […]