Mois : novembre 2024

« Sokela, La parole du Sud » : nivoaka omaly ny edisiona faha-14

Voka-pikarohana sy valina fanadihadiana maro indray no nahazo sehatra tamin’ny fivoahan’ny « Sokela, La Parole du Sud », edisiona faha-14. Malagasy maro ihany koa ny ahafantatra zava-baovao ao anatin’izany. Nivoaka tamin’ny fomba ofisialy omaly ny boky « Sokela la parole du Sud », edisiona faha-14. Pro­fesora sy Mpikaroka ary mpianatra mpikaroka am-polony avy amin’ny […]

TSELATRA

Namoy ny ainy tao Beronono Anjozorobe ny Officier de police iray, omaly maraina. Miasa ao amin’ny Fip Antanimora ity mpitandro filaminana ity saingy namita iraka fampandrian-tany tany amin’iny distrikan’Anjozorobe iny. Voalaza fa tratran’ny fanapoizinana tamin’ny sakafo izy ka antony nitarika ny fahafatesany. Nivoaka avy ao amin’ny andiany Mandresy teny amin’ny […]

Adiny efatra ny famonoana : trano an-jatony indray ravaravan’ny afo

Trano an-jatony indray ravan’ny afo tao an-tampon-tanànan’Ivandrika distrikan’i Farafangana, omaly maraina tamin’ny 10 ora. Nijoalajoala tsy nisy toy izany ny afo nandritra ny firehetana tao an-tanàna. Voalaza fa niainga avy amina pitik’afo tao amina tokantrano iray no nahatonga ny loza. Nahandro sakafo ny renim-pianakaviana iray ka nisy pitik’afo, teo no […]

Ambohijatovo: mpanao sinto-mahery tra-tehaka

Nisintona finday an’ny mpandeha iray anaty taxi-be, tra-tehaky ny olon-tsotra ny mpanendaka iray teny Am­bohijatovo, omaly. Mitazan-davitra ny fihetsiky ny mpandeha anaty fiara fitateram-bahoaka io lehilahy io. Nosintominy ny findain’ny mpandeha iray tamin’ireo tao anaty taxi-be saingy efa mailo ity farany. Voatazona ny tanan’ilay mpanao sinto-mahery ka tsy afa-nandositra. Niara-nisalahy, […]

Tambajotra mpangalatra moto : telo lahy notanana eny Antanimora

Malaza ratsy amin’ny tranga tsy fandriampahalemana ny faritra 67 ha sy ny manodidina tato ho ato. Mpangalatra moto telo lahy sarona teny an-toerana notanana am-ponja, omaly. Niakatra fitsarana, oma­ly, mpangalatra moto roa lahy niaraka notazomina vonjimaika eny An­tanimora, taorian’ny fampanoavana. Na­haray fitarainana ny polisim-pirenena avy ao amin’ny kaomisaria 67 ha […]