Hotanterahina any Maroc ny 18 ka hatramin’ny 25 novambra ho avy izao ny lalao fameno, hiadiana ny tapakila hidirana ao anaty “Top 8”, taranja rugby lalaovina olona 15 ho an’ny sokajy “senior” lehilahy. Anisan’ireo firenena hiady izany ny Makis de Madagascar. Raha tsy misy ny fiovana hanainga ny alahady 17 […]
Mois : novembre 2024
Barea de Madagascar : «Tsy misy kajikajy hafa», hoy i Amada
Iray andro mialoha ny lalao hikatrohana amin’ny Aigle de Carthage Tunisie, ny Barea de Madagascar, anio. Lalao hatao any Afrika Atsimo, rahampitso alakamisy ary tafiditra amin’ny andro fahadimy hiadiana ny tapakila hiatrehana ny Can 2025, tontosaina any Maroc. “Lalao goavana ny rahampitso ary tsy misy ny kajikajy fa tsy maintsy […]
Hetsika fampivoarana ny tanora : hatao eto Madagasikara ny “Youth Connect Africa 2025”
Fandresena ho an’ny tanora malagasy ny fivoriana natrehin’ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena tatsy Rwanda. Voasafidy hampiantrano ny “Youth Connect Africa 2025” i Madagasikara. Hiteraka asa maro sy ampiditra vola vahiny betsaka izany. Horakorakam-pifaliana no nitsenana ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena malagasy, i Marson Moustapha Abdulah, teny […]
VAOVAO TAMBATRA
Maharitra 100 andro ny fe-potoana fambolena vary an-tanety any amin’ny faritra Androy sy Atsimo Andrefana, raha 90 andro ny katsaka. Mandritra ny 150 andro kosa ny vary an-tanety ho an’Alaotra Mangoro, Analamanga, Bongolava, Itasy, Vakinankaratra, Amoron’i Mania, Matsiatra Ambony ary Ihorombe, raha 120 andro ny fambolena katsaka. Marihina fa miankina […]
Hanatsara ny fitaterana: hiara-hiasa amintsika ny Ejipsianina
Vonona hiara-hiasa amin’i Madagasikara i Ejipta ho fanatsarana ny sehatry ny fitaterana sy ho fampiroboroboana ny firenentsika ho toerana tsara hanaovana fampiasam-bola. Nambaran’ny minisitry ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro, Ramonjavelo Valery, nandritra ny diany tany Ejipta, ny herinandro teo, fa laharam-pahamehan’ny minisitera ny sehatry ny fifamoivoizana an-tanàn-dehibe, ny […]




