Nankatoavin’ny loholona ihany koa ny tetikasa Fly-over Maki, omaly. Famatsiam-bola mitotaly 31,5 tapitrisa dolara, ka avy amin’ny Banky arabo ho an’ny fampandrosoana aty Afrika (Badea) ny 28,5 tapitrisa dolara, raha avy amin’ny fanjakana malagasy ny 3 tapitrisa dolara. Efa lany teny amin’ny Antenimierampirenena ity volavolan-dalàna ity, ny 5 novambra teo. […]
Mois : novembre 2024
MTA-ONTM: miverina ny fiaraha-miasa amin’ny Corsair
Niverina niantoka ny zotra Antananarivo-Paris ny kaompania Corsair, ny jona 2023. Mifameno amin’ny tanjon’ny fanjakana malagasy hampiroboroboana ny fifamoivoizana ana habakabaka ny fisiany, sady hampitomboana ny mpizahatany sy mpandraharaha ihany koa. Natao, omaly, ny fifanarahana fiaraha-miombon’ antoka eo amin’ny minisiteran’ ny Fizahantany sy ny asa tanana (MTA) sy ny kaompania […]
Toekarena manga : hitohy ny fiaraha-miasa amin’ny C3 Madagascar
Hanatsara ny jono sy ny fihariana anaty rano, mba hampihena ny tsindry eo amin’ny ranomasina, toy ny fambolena lomotra, fiompiana dingadingana, horita sns, hisokatra amin’ ny asa hafa sy hivelatra manerana ny Nosy. Ireo ny vina apetraky ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga sy ny Conservation centrée sur la […]
« seer 2024 » : vahaolana ho an’ny fampiasana angovo azo havaozina
Loharanon-karena sy tombony ara-toekarena ny fampiasana ny angovo azo havaozina. Tafiditra amin’ny fisorohana ny olan’ny fahatapahan’ny herinaratra izany. Fanamby goavana eto Madagasikara ny fisitrahana herinaratra manerana ny Nosy. Fotoana iray hiarahan’ireo mpisehatra rehetra sy hitondram-bahaolana mahakasika izany ny Salon de l’électricité, des énergies renouvelables et des hydrocarbures. Miditra amin’ny andiany […]
INDRAY MIJERY
Hanomboka anio, eny amin’ny Galaxy Andraharo, ny asa fanamboarana solon-tongotra maimaimpoana ho an’ireo nisoratra anarana amin’izany. Hahazo hafatra amin’ny SMS ireo hisitraka solon-tongotra ary mila mampandre ny tomponandraikitra kosa raha toa ka tsy maharay izany hafatra manokana izany mba hitadiavana ny vahaolana. Maimaimpoana ny fampiofanana momba ny zaitra ataon’ny CUA […]




