Manaraka fiofanana any Paris Irimboangy, Malagasy mpahay kanto. Tombony ho azy sy ny mpanatalenta tahaka izao ny fandraisana anjara amin’ny fifaninana “Prix Paritana”. Tanterahina mandritra ny telo volana ao amin’ny Cité internationale des arts ao Paris Frantsa, ny fivahinianana arahina fiofanana sy fanatontosana ny tetikasa « ‘Ridô – dévoiler les souvenirs» an’i […]
Mois : novembre 2024
Taranja malagasy: hampiofanina ny mpampianatra
Ao anatin’ny 12 taona nianarana ny taranja malagasy (Taona 1 hatramin’ny kilasy famaranana) ny zanaky ny Malagasy, kanefa, sady tsy mahay fitsipi-panoratana ny teny malagasy no tsy mahafantatra ny fomba malagasy, tsy mahay miteny malagasy! Mila ahitsy ny fandaharam-pianarana mandrafitra ny taranja malagasy misy ankehitriny. Tsy hahita vokatra tsara amin’izany, […]
Felana Rajaonarivelo: mitohy ny fahombiazan’ny Debout
Notontosaina ny 2 hatramin’ny 6 novambra 2024, ao Lomé Togo, ny « Emergence Films Festival” andiany faha-11. Nisolo tena an’i Madagasikara tao anatin’izany i Felana Rajaonarivelo, tamin’ny alalan’ny horonantsary fanadihadiana Debout! Horonantsary miisa 33 nizara amina sokajy efatra no voafantina nifaninana tamin’izany fifaninanana izany. Firenena 15 avy eto Afrika sy Amerika […]
Tsy fitovian’ny kolontsaina…: Mila mifanaja ny samy Malagasy
Lasa zary fahazarana ny manao anaty kitapo iray ny Malagasy. Raha ny sisintany, na ny ampahany amin’ny soatoavina, hita taratra ihany ilay iraisana. Fa rehefa miditra lalindalina, miharihary koa ilay fahasamihafana. Io ilay harena be tsy misy manana raha mahay mifanaja ny Malagasy. Midadasika i Madagasikara. Ny fomban’ny any atsimon’ny […]
SOMBIM-BAOVAO
Nanainga omaly, teny Ivato, hihazo any Accra Ghana, ny Makis Ladies 7. Hiatrika ny fifaninanana “Women’s Tournament 7s”, taranja rugby, ny 9-10 novambra ho avy izao, any an-toerana, izy ireo. Araka ny fandaharam-potoana, ny ekipan’i Ghana, mpampiantrano no hifandona amin’ny Malagasy voalohany. Nifarana ny talata lasa teo, tetsy amin’ny Kianja […]




