Mois : novembre 2024

Fahalotoan’ny rivotra : mamely ny karazan’aretina eto Antananarivo

Mihoapampana ny fahalotoan’ny rivotra. Avo 5 hatramin’ny 6 heny amin’ny fetra napetraky ny OMS ny tahan’ ny fahalotoan’ny rivotra eto Antananarivo, tamin’ity herinandro ity, raha ny tatitry ny fitaleavana misahana ny Fampiroboroboana ny fahasalamana. Miteraka fahavoazana maro eo amin’ny fahasalamana izany rivotra maloto izany. Anisan’izany ny aretin’ny taovam-pisefoana, ny aretin’andoha, […]

Fisitrahana fisotroan-dronono: hanomboka amin’ny alatsinainy ny fizarana

Toy ny isam-bolana, mamoaka ny tetiandro fizarana ny vola fisotroan-dronono ho an’ireo zokiolona misitraka izany ny tahirimbolam-panjakana. Ho amin’ity volana novambra ity, hanomboka ny alatsinainy ho avy izao ny fizarana ho an’ireo manana laharana miafara amin’ny 0, 1, 2. Ho an’ny miafara amin’ny 3, 4, 5 kosa, hisitraka izany ny […]

MPITANTANA TOBIM-panafody: «Mangataka ny hisokafan’ny fandraisana fangatahana vaovao»

Hifarana anio ny fivoriambe ataon’ny mpitantana tobim-panafody manerana ny Nosy, eny Ankazomanga. Hisy ny fehin-kevitra hivoaka aorian’ny dinidinika samihafa sy ny fiofanana hanatsarana ny asa fitsinjarana fanafody ho an’ny tontolo ambanivohitra. 53 ny mpitantana to­bim-panafody nahazo fiofanana avy amin’ny minisiteran’ny Fa­hasa­lamam-bahoaka tamin’ity taona ity, hahatonga azy ireo ho matihanina amin’ny […]

TARATRY ny KANTO

Voatendry ho talen’ny Lovako i Narijaona Elda, fantatry ny maro amin’ny anarana hoe Dah-Mama. Ankoatra ny maha mpanakanto azy, efa nisahana ny toerana maha mpiasam-panjakana ambony teo anivona departemanta maromaro izy, nialoha izao fanendrena azy ao amin’ny minisiteran’ny Kolontsaina sy ny serasera izao. Tsiahivina fa Loharano Otrika Vola ho an’ny […]

PoppyHarp – Angleterre: Hifaninana ny sanganasan’i Nantenaina Vakamiarina

Misongadina tsikelikely eo amin’ny iraisam-pirenena ny mozikan’i Nantenaina Andria­mo­rasata, mpitarika ny Vaka­miarina. Nampiditra ny sanganasany amin’ilay fifaninanam-pirenena momba ny famoronana mozika ho an’ny zavamaneno harpe izy. Maromaro ireo mpifaninana maneran-tany, saingy voafidy tao anatin’izany ny ” Lonely”. Hilahatra amin’ny sangasan’ireo mpanakanto avy any Etazonia, Brezil, Australie, Espagne, sns, ity mozikan’i […]