Mois : novembre 2024

“Karate International” : hifaninana any Russie i Finoana

Nanainga, ny talata alina nihazo an’i Moscou Russie, ny Malagasy mpikatroka ny taranja Karaté, Rajaonarison Christian Finoana. Hiatrika ny “Championnat Karate International”, eo amin’ny kumite sokajy latsaky ny 60kg izy. Fifaninanana izay hotontosaina ny 8 hatramin’ny 10 novambra izao. Tsy mandeha irery i Finoana fa tarihin’ny mpanazatra azy, Rantsoramanana Tanjona. […]

Ping-pong – Amboaran’i Madagasikara: nisongadina ny zava-bitan’Andriatahina Gracia

Tontosa ny sabotsy sy ny alahady lasa teo, ny fifaninanam-pirenena niadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja ping-pong. Anisan’ny nandrombaka amboara ny Challengers Analamanga ka nahazoan’i Gracia ny anaram-boninahitra “1ère série”. Notanterahina tany Am­ba­tolampy, ny faran’ny herinandro teo, ny fiadiana ny amboaran’i Mada­gasikara, taranja ping-pong. Nahavita dingana tsara ny klioba Challengers Anala­manga, […]

INDRAY MIJERY

Mivoatra manaraka ny toetrandro ny asam-panjakana ka ny tontolon’ny nomerika izao no tolotra ampiasaina hanomezana fahafahampo ny mpanjifa. Nahazo fiofanana momba ny fanavaozana ny fitantanan-draharaham-panjakana ny mpiasam-panjakana any amin’ny faritra Sava. Nanomboka tamin’ity herinandro ity ny fiofanana, nampahafantarana koa ilay rindram-baiko Augure Compte Agent, izay fitaovana hanamorana ny fitadiavana izay […]

“Fijery hafa” andiany voalohany : hisehatra amin’ny asa ireo nisitraka fiofanana

Notolorana mari-piofanana ireo olona 164, nanaraka fiofanana nandritra ny hefarana niaraka amin’ny ivontoeram-panofanana arakasa eny Tsimbazaza sy ny LTA ary ny LTP Ampefiloha. Tafiditra amin’ ny fandaharanasa «Fijery hafa» miaraka amin’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy fanofanana arakasa ny fampiofanana, izay manatona vahoaka, andiany voalohany. Sehatra efatra : taovolo, zaitra, fanamboarana mofomamy […]