Mois : novembre 2024

Faha-17 taonan’ny Clam : mivondrona hitondra ainga vao ireo laboratoara

Nanao famelabelaran-kevitra tetsy amin’ny Akademia Malagasy, omaly, ireo karazana laboratoara amina sehatra samihafa. Hanambatra hery hisian’ny ainga vao ho amin’ny kalitao tsara hatrany. Mampivondrona ireo laboratoara amin’ny sehatra marolafy ny Clam. Teo aloha, ny laboratoara momba ny sakafo fihinana sy ny fambolena ihany no tena be mpahafantatra. Ankehitriny kosa, efa […]

Jly Ravalomanana Richard: «Aoka tsy hifampiaroaro fahatany»

Naneho ny heviny manoloana ireo mpitsara efatra ahina ho tsy nanara-dalana ka noesorina ny filohan’ny An­tenimierandoholona, ny Jly Ravalomanana Richard. Nampahery ny minisitry ny Fitsarana ny tenany. “Tsy azo ekena ny fifampiarovana befahatany na koa fampifangaroana foko sy fiaviana sy fivavahana na koa asa… Tsy hitondra antsika any amin’ny fahamarinana […]

Antoko Maeva: «Ilaina ny fijerena ny maha olona»

Nivoaka amin’ny fanginany ny antoko politika, Mada­gasikara endrika vaovao (Maeva). Nambaran’ny filoha mpanorina, Raharimanana Mamy, fa manana foto-kevitra telo ny antokony. “Ilaina ny fijerena ny maha olona sy ny manodidina azy ary koa ny lafiny lalàna”, hoy izy. Nan­teriny fa naharesy lahatra ireo mpikambana manerana ny Nosy, nanomboka tamin’ny nijoroany […]

Fivoriana mikato-trano eny Ambatoroka: hampita hafatra ho an’ny vahoaka malagasy ireo eveka

Hitohy amin’ny herinandro ambony io ny fivorian’ny Fivondronamben’ny eveka (Fem), eny Ambatoroka. Anisan’ny hodinihin’izy ireo ny momba ny fiainam-pirenena ka hampitan’izy ireo hafatra ho an’ny vahoaka malagasy sy ny kristianina. Efa nanomboka tamin’ity herinandro ity ny fihaonan’ireo eveka ireo. Anisan’ny efa nataon’izy ireo ny fiatahana Masina “Recollection”, afakomaly. Hitohy amin’ny […]

Voka-pifidianana any Etazonia : Tsy hanova ny fifandraisana diplaomatika

Voafidy ho filoha faha-47 an’i Etazonia ny kandida repoblikanina, Donald Trump. Tsy ampiova ny fifandraisana misy amin’i Madagasikara sy Eta­zonia izany. “Azo atokisana fa tsy hisy ny fiovana eo amin’ny fifandraisan’ny tany roa tonta”, hoy ny ambasadaoron’i Eta­zonia eto Madagasikara, Claire Annette Pierangelo, teny Ivandry, omaly. Nisy ny fanazavana ny […]