Mois : novembre 2024

Rugby « Women’s Seven Africa » : ambony ny herijika ho an’ny Makis Ladies

Hanainga rahampitso amin’ny 3 ora maraina, etsy Ivato, hihazo an’i Ghana, ny ekipam-pirenena malagasy Makis Ladies. Hiatrika ny fifanina­nana afrikanina “Women’s Sevens Tournament (W7T)” izy ireo. Sokajy vehivavy, lalaovin’ olona fito izany. Hotanterahina any an-toerana ny 9 sy 10 novambra ho avy izao. Nambaran-dRakotomalala Marcel, filohan’ny Malagasy Rugby, omaly, tetsy […]

Kick boxing – « Jungle War » : hisolo tena an’i Madagasikara i Cyborg sy i Joël

Hanainga anio, hihazo an’i Afrika Atsimo, hiatrika ny fifaninanana afrikanina “Jungle War”, taranja kick boxing, ny delegasiona malagasy. Atleta roa no hisolo tena an’i Madagasikara amin’izany. Ny 9 novambra izao, ao amin’ny Emerald Casino, Vanderbijlpark Afrika Atsimo, no hanatanterahina ny fifaninanana “Jungle War”, eo amin’ny haiady kick boxing Full Contact. […]

FANTINA sy FINTINA

Nanao fanambarana fanohanana ny kandidà atolotry ny Irmar ny fikambanana Andry sy fototra ho an’ny fampandrosoana (AFF), tarihin-dRavatomanga Haingo. Nambarany fa anton’izany ny ho fanohizana ny asa soa sy ny fahitana fa mahafa-po ny asa vita tao anatin’ny fotoana fohy ka hanomezan’izy ireo tanana ny kandidà eto an-dRenivohitra, Ramanantsoa Harilala. […]

Loholona Tsiebo Mahaleo : “Lasa fitaovana politika ny delestazy”

“Mbola hamafisinay fa misy amin’izao ny manao sabotazy. Iniana atao izany mba hanosoram-potaka ny fitondram-panjakana. Ampia­sain’ny sasany ny olana amin’ny delestazy hanakorontanana. Ampiasaina ho fitaovana politika izany amin’izao”. Io ny fijerin’ny loholona Tsiebo Mahaleo, teny Anosy, omaly, ny amin’ny mbola fisian’ny deletazy eto Antananarivo taorian’ny fidinan’ny filohan’ny Repoblika ifotony teny […]