Mois : novembre 2024

TARATRY ny KANTO

“Tsy ankiteniteny”, miaraka amin’i Silo. Ma­nome fotoana ireo tia mozika, ireo mpankafy azy manokana ary ireo izay akaiky azy ity mpanakanto ity, anio manomboka amin’ny 8 ora sy sasany alina, eny amin’ny NO comment Bary Isoraka. “Tsy ankiteninteny” satria tsy misy nampahafantarin’i Silo ny hitondrany ny fety, fa dia hanamarihany […]

Fanabeazana sy kolontsaina : mbola ambin-javatra ny teny malagasy

Eto Madagasikara no ha­naovana ny fikarohana. Mala­gasy no mikaroka. Amin’ny fiteny vahiny no hanatanterahina ny fanohanan-kevitra sy ny boky havoaka miaraka aminy. Tranga hita sy iainana eny amin’ny ankamaroan’ny fianarana ambaratonga am­bony na miankina amin’ny fanjakana na tsia io. Mahavariana tanteraka fa mpikaroka momba ny sikidy, fanandroana, fanorona, kanefa misafidy […]

« Festival du Mois de la Photo » : hanehoana ny lanjan’ny saripika

Anisan’ny vavolombelon’ny tranga iray ny sary. Ilaina anefa ny mamantatra ny fototra sy ny fenitra amin’ny fanatontosana azy. Izany indrindra no antom-pisian’ny « Festival du Mois de la Photo », ho fampiroboroboana izany ao anatin’ny fenitra tena izy sy matihanina. Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy, omaly, teny amin’ny Alliance Fran­çaise d’Antananarivo (AFT) Andavamamba, […]

SOMBIM-BAOVAO

Notontosaina nanomboka omaly, etsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny fampivondronana ireo mpilalao eto an-toerana voaantso handrafitra ny ekipam-pirenena Barea de Madagascar. Anisan’izany ry Njiva, Amada, Tony, Dadafara, Lalaina sy Nina ary i Rado. Tsia­hivina fa hivoaka tsy ho ela ny lisitry ny ekipa nasionaly malagasy. Nifarana ny alahady 2 novambra […]