Mois : novembre 2024

Miady irery

  Tsy hay intsony ny hamaritana ny hoavin’ilay firenena. Sahirana, hita ho miady irery ny filohan’ny Repoblika. Izy daholo no manenjika an’i Babay sy Lohavohitra. Hany olon-tokana mihazakazaka etsy sy eroa mitady izay hivoahana amin’ny kirizy sosialy mianjady ankehitriny. Tsy afa-miala rahateo tamin’ny lokaloka maro isan-karazany, nandritra ny fampielezan-kevitra. Lehilahy […]

Tontolon’ny fitsarana : efa misy ny fifampiresahana eo amin’ny minisitera sy ny SMM

Tsy hitokona na hampitsahatra ny asany ireo mpitsara. Nisy ny dinika niarahan’ny sendika sy ny minisitera. Ho fitsinjovana ny vahoaka izany, hoy izy ireo. Efa misy ny fifampiresahana eo amin’ny minisiteran’ny Fitsarana sy ny Sendikan’ny mpitsara eto Madagasikara (SMM), araka ny nambaran’ny filohan’ny SMM, Andriantsihorisoa Mbi­tanarivo, teny Anosy, omaly. Na […]

TSELATRA

Gadra miisa roa tafaporitsaka tao amin’ny fonjan’i Tsiafahy, omaly. Manana andraikitra ao an-dakozia ireo voafonja nandositra ireo. Andrasana ny tohin’ny fanadihadiana ataon’ny tomponandraikitra ao an-toerana. Maty tsy tra-drano, lanin’ny voay ny renim-pianakaviana iray tao amin’ny fokontany Fitampito, distrikan’Ikalamavony, afakomaly. Nikasa haka rano hosotroina io ramatoa io kinanjo norombasan’ny voay. Niantso […]

Poa-basy tao Ampitatafika : mpambongady voaroba, lasa ny volabe

Norobain’ny jiolahy mitam-piadiana ny volabe tao amina “grossiste” iray, ao Ambodi­fiakarana Ampitatafika, omaly tamin’ny 7 ora hariva. Nilanja fitaovam-piadiana, namoaka ary nanambana izany ny mpivarotra tao amin’io tsena io ireo olon-dratsy. Nanapoaka basy, tsy nisy nahahetsika intsony ireo olona teo amin’ny manodidina. Mihoatra ny telo ireo nanao ny fanafihana, araka […]

Nanolana ankizivavy 15 taona: Sivy lahy naiditra am-ponja

Naiditra vonjimaika am-ponja, omaly, ireo jiolahy sivy voarohirohy ho tompon’antoka tamina fanolanana ankizivavy 15 taona, tao Amparafaravola. Nanao tohivakana ny fisamborana ireo jiolahy ny 21 sy 22 oktobra 2024 teo. Lasibatry ny asa ratsin’ireo jiolahy ny ankizivavy 15 taona ny alin’ny 15 oktobra 2024. Avy nanatrika raharaham-pianakaviana tao amin’ny fokontany […]