Ambohipihaonan’ny zavakanto sy ny fanatanjahantena, indrindra ny haisoratra sy ny taranja tenisy, ny fotoana hamoahana ny boky Happy story of my tennis life. Hotanterahina ny alarobia 27 novambra, eny amin’ny Amicale culturelle et sportive d’Ambohidahy (ACSA), ny fampahafantarana sy famoahana amin’ny fomba ofisialy ny boky Happy story of my tennis life, […]
Mois : novembre 2024
VAOVAO TAMBATRA
Manomboka ny asa fanamboarana ny lalana Antsohihy-Bealanana, RN31. Hatao godirao tanteraka ity lalana mirefy 102 km ity. Miisa 34 ny tetezana ho havaozina. Haharitra telo taona ny asa, ary efa tonga any an-toerana ny milina sy ny fitaovana vaventy rehetra ho hampiasaina. Miisa roa ny tohodrano lehibe hatsangana any amin’ny […]
Haba 0,5% ny Mobile money : hiantraika amin’ny sokajin’olona rehetra
Mitsinjo ny daholobe ny asan’ny tranoheva Cash point, fifanakalozam-bola amin’ny finday. Araka ny fampahalalam-baovao nomen’ny mpandraharaha telo: ny MVola, ny Airtel Money ary ny Orange Money, hiantraika mivantana amin’ny mpanjifa sy ireo mpandraharaha amin’ny Cash Point ny fisondrotana 0,5% ny haba alaina amin’ny fifanakalozam-bola amin’ny finday mihoatra ny 150 000 […]
Jirama : mitohy ny fandatsahana orana
Feno ny fepetra! Efa nilaza ny fiandohan’ny herinandro lasa teo ny Sampandraharaha mpamantatra ny toetry ny andro, fa mety ho avy ny orana ny faran’ny herinandro teo. Nilaza ny tomponandraikitra ao amin’ity sampandraharaha ity fa tanteraka tokoa izany vinavina izany, satria feno ny fepetra teto afovoantany. Koa, niroso tamin’ny fandatsahana […]
Morarano Gara: mirona amin’ny fambolena ekolojika ny vehivavy
Mavitrika ny fikambanam-behivavy amin’ny fambolena afaka miatrika ny fiovan’ny toetr’andro any amin’ny kaominina Morarano Gara, distrika Moramanga. Toy ny fikambanana Fanambinana, any Ambodivohitra Androfia. Anisan’ny Tantsaha mpampiofana (PF), any Androfia Morarano Gara, i Valerie Bienvenue. Manana tanimboly fitaratra na «vala tahaka», mampihatra ny teknikam-pambolena afaka miatrika ny fiovan’ny toetr’andro, notohanan’ny […]




