Mois : novembre 2024

INDRAY MIJERY

Tanora 30 avy eto Antananarivo sy Mahajanga ary Toamasina no nisitraka fiofanana ampitain-davitra sy mivantana momba ny fahaiza-mitarika, ny fandraharahana, ny fahaiza-mitantana ary ny ady amin’ny kolikoly. Antenaina hitondra fiovana eo amin’ny fiarahamonina izy ireo aorian’izao fiofanana izao. Nanao asa savaranonando ny tetikasa Produir ny volana septambra teo, tao anatin’ny […]

Atelier Luban Vontovorona : Ivontoerana lehibe aty Afrika

Nitsidika ny Atelier Luban ao Tianjin-Chine ny minisitry ny Asa sy ny fampananana asa ary ny asam-panjakana, Raza­kaboana Hanitra Fitia­vana, nandritra ny fivahinianany. Tamin’izany no nahafa­hany nihaona tamin’ireo Malagasy milaravinahitra any an-toerana sy ireo mamita iraka any. Anisan’izany ny filohan’ny Oniversiten’Antananarivo sy ireo tomponandraikitra ao amin’ny Oniversite polyteknika Vontovorona, ireo […]

Fiarovana ny lemak’Antananarivo : Miisa enina ireo iraka fototra sahanin’ny Apipa

Manamarika ny faha-30 taonany ny Apipa amin’ity taona ity. Mampahatsiahy ny iraka fototra sahaniny izy ireo amin’ny fiarovana ny lemak’Antananarivo. Anisan’izany ny fandrindrana sy ny fitantanana ny fitaovana, ny fotodrafitrasa ary ny fiantohana ny fiarovana ny lemak’Antananarivo amin’ny tondradrano, indrindra amin’izao fotoan’ny orana izao. Mikarakara sy mamolavola ihany koa ny […]

Semafa: Mangataka tolo-tanana amin’ny fitaizana ireo zaza varira

Misedra olana amin’ny fitaizana ireo zaza manana toe-tena varira ny Semafa ao Farafangana.Angatahana tolo-tanana amin’ny Malagasy ny famahana izany. Manatanteraka tolo-tanana hanampiana ireo ankizy varira ao amin’ny Sekoly mampiaty Fa­rafangana (Semafa) ny fikambanan’ny olona manana toe-tena varira eto Madagasikara, izay tarihin’ny filohany, Soja Fulgence. Misokatra ho an’ny olon-drehetra ny tolo-tanana. […]

Athlétisme : Nahazo “quitus” 100 % ny federasiona

Notanterahina ny sabotsy lasa teo, teny amin’ny Ininfra Alarobia, ny fivoriambe ara-potoan’ny Federasiona malagasin’ny atletisma (FMA). Taorian’ny tatitra ara-bola sy ny ara-teknika nataon’ny komity mpitantana, nandritra ny taom-piasana 2024, nahazo fankatoavana “quitus” avy amin’ireo ligim-paritra 13 izy ireo. Tetsy ankilany, nankatoavina ihany koa ny lalàna mahakasika ny fanoherana ny herisetra […]