Miavaka sy manana kalitao ny vokatra malagasy raha oharina amin’ireo firenen-kafa. Nilahatra tamin’ireo mpisehatra iraisam-pirenena eo amin’ny indostrian’ny akora ara-tsakafo biolojika sy natoraly maneran-tany i Madagasikara, mandritra ny hetsika «Food Ingredients Europe (FIE)», tany Francfort Alemaina, ny 19-21 novambra, ny vokatra malagasy biolojika. Nisolo tena antsika ireo orinasa miisa sivy […]
Mois : novembre 2024
Moramanga : mamokatra menaka ny tantsaha
Anisan’ny manova sy hanatsara ny velon-tenany ny kaoperativa Hanitriniala, ahitana mpikambana miisa 74, any amin’ny kaominina Morarano Gara, distrika Moramanga. Mifototra amin’ny fanodinana ny voanjo ho lasa menaka fihinana ity kaoperativa ity. Nahazo tohana avy amin’ny Conservation international (CI) toy ny fiofanana ara-teknika sy ara-pitantanana, fitaovana sy milina fanodinana menaka […]
Fandraharahana : misokatra ny village SAE voalohany eto Madagasikara
Mizara ireo tosika ataony mandritra ny roa andro hampiroboroboana ny fandraharahana eto amintsika ireo rafitra mpanohana mpandraharaha avy eto an-toerana sy avy any ivelany. Hita mandritra ny roa andro, etsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny fikambanan’ireo mpanohana ny fandraharahana, «Village des structures d’accompagnement d’entreprises» (SAE). Hetsika izay tafiditra ao anatin’ny […]
« Hazavana ho anao » : Fokontany valo nisitraka jiro mandeha amin’ny masoandro
Nanomboka ny fizarana jiro “Hazavana ho anao” any amin’ny faritr’i Mahajanga, amin’izao fotoana izao. Nosantarina omaly ny hetsika fizarana izany, tamin’ireo fokontany valo ao anatin’ny faritra. Notanterahina tao amin’ny kianja ao amin’ny Complexe Sportif Ampisikina, ny fizarana. Miisa 21 279 ireo jiro mandeha amin´ ny herin´ny masoandro miaraka amin’ny kojakoja […]
Mpitsoa-ponenana : Sambo nitondra somalianina rendrika tao Nosy Iranja
Rendrika tao amin’ny fari-dranomasina ao Nosy Iranja, omaly, ny sambo nitondra teratany somalianina. Efa natsingevan’ny rano ny sambo nitondra azy ireo sady efa nahitana olona maty koa tao anatiny. Nahita izany ny sefo fokontany ao Nosy Iranja, kaominina ambanivohitr’i Bemanevika Andrefana, distrikan’ Ambanja, ka nampandre haingana ny zandary avy ao […]




