Mois : novembre 2024

Fandikan-dalàna amin’ny propangady: mampitandrina ny prefet de Police Antananarivo

“Hanao tatitra any amin’ny Ceni izahay, fa manjary manome ohatra ratsy izay”. Io ny nambaran’ny prefet de Police, Antananarivo, ny jeneraly Rave­lonarivo Angelo, manoloana ny fandikan-dalàna na­ta­on’ny kandidà lah. 4, Ra­va­lo­manana Tojo, mbamin’ny mpomba azy tamin’ny fanombohana ny fampielezan-kevitra, afakomaly. Nandalo teny amin’ny araben’ny Fahaleo­van­tena, Analakely ry zareo, raha avy […]

Ramiarondrabe Hajason: “Aoka mba tsy ho voavidy amin’ izay mety hanovana ny safidy”

Ao anatin’ny fampielezan-kevitra izao. Mandeha ny fanehoan-kevitra, fizarana fanomezana, fampisehoana… Hanao ahoana? Maneho ny fijeriny ny filohan’ny Fikambanan’ ny tanora mandala ny fahamarinana mba ho fampandrosoana ny firenena (FTMF) eo anivon’ny Safidy, Ramiarondrabe Hajason. Dinidinika… Gazety Taratra (*): Ao anatin’izao fampielezan-kevitra izao, inona no tokony hataon’ny olom-pirenena? Ramiarondrabe Hajason (-): […]

Faritra Antsinanana : niakatra ny haavo lentan’ny kolontsaina maro loko

Niakatra amin’ny haavo lenta indrindra manerantany ny lafiny ara-kolon­tsaina sy ny soatoavina, ary ny fa­ha­­samihafana ao amin’ny faritra Antsinanana. Taorian’ny hetsika ara-kolontsaina nokarakarain’ny vovonan’ny tanora “Vagnona” ny 16 novambra lasa teo tany an-toerana. Fotoana nampisehoana hetsika samihafa sy va­landresaka nanomezan-danja ny kolontsaina izany. Azo lazaina fa nahenika ny firenena iray manontolony hetsika, […]

VAOVAO TAMBATRA

Manomboka androany ka haharitra telo andro ny tsenaben’ny fizahantany andiany fahavalo sy ny tsenaben’ny asa tanana andiany voalohany. Hita eny amin’ny kianja Barea Mahamasina avokoa ireo mpikarakara fivahinianana misehatra amin’ny fizahantany sy mpanao asa tanana matihanina maro manome lanja ny vita malagasy. Hitombo 5% ny fitomboan-karena, araka ny voasoratra anaty […]

Fisondrotry ny haba 0,5% : toherin’ny mpandraharaha Mobile Money

Tsy manaiky ny fisondrotry ny haba +0,5%, alaina amin’ny fifanakalozam-bola amin’ny finday (mobile Money), ireo mpandraharaha telo. Araka ny fanambarana iombonana na­taon’izy ireo, afakomaly, ho lasa vesatra ho an’ny mpanjifa ny fikasan’ny fitantanana foibe ny hetra. Mety hampisondrotra avo roa hatramin’ny dimy heny ny saran’ny fifanakalozam-bola alain’ireo toerana Cash point, […]