Ho tapitra sahady ny 100 andro, ho an’ireo minisitra notendrena farany teo. Hatreto tsy hita mihitsy aloha ny tena zava-bitan’ny ankamaroan’ny mpikambana ao amin’ny governemanta. Azo isaina amin’ny ratsan-tanana ny departemanta mba mahavita asa mivaingana. Ny fanapariaham-pahefana sy ny fananan-tany izao no efa nahavita namoaka ny politikam-pirenena mahakasika izany. […]
Mois : novembre 2024
Tetikasa Produir: havaozina ny biraon’ny famantarana ny toetr’andro
Hohatsaraina ny ivontoerana faminavinana ny toetry ny rano sy ny toetry ny andro eto Antananarivo. Mandray an-tanana izany ny tetikasa Produir. Notanterahana omaly, teny Ampasapito ny fametrahana vato fototry ny asa ho fanatsarana ny ivontoerana faminavinana ny toetry ny rano sy ny toetry ny andro eto Antananarivo. Nitarika izany ny […]
Namaky trano : roa lahy naiditra am-ponja
Niakatra fampanoavana, naiditra am-ponja ireo jiolahy roa lahy mpamaky trano tratra tao amin’ny fokontany Ambohitradala, kaominina Andilamena, omaly. Avy nanao ny asa ratsiny, nifanehatra tamin’ny polisim-pirenena nanao fisafoana alina izy roa lahy ireo, ny 17 novambra lasa teo tamin’ny 11 ora alina. Navesatra satria nitondra ireo entana avy nangalariny, nosakanan’ny […]
Famonoana sy fanolanana: Voasaringotra ny anadahin’ilay zazavavy 6 taona
Tsy afa-bela amin’ny raharaha fahafatesan’ny zazavavy 6 taona ny zanaky ny rahalahin-drainy. Hiakatra fitsarana ao Fianarantsoa, anio, ny lehilahy iray voatondro ho nahavanon-doza ka nahavitra namono ny anabaviny. Tsy olon-kafa mantsy, zanaky ny rahalahin-drainy ihany ilay zazavavy enin-taona niharan’ny fanolanana niaro vono olona. Nampiahiahy ny fianakavian’ny lasibatra ny fihetsik’io tovolahy […]
Marotsipoy : Basy Mas 36 azon’ ny zandary
Isan’ireo manamboninahitra nitarika mpitandro filaminana nandritra ny hetsika opération coup de poing tany amin’ny distrikan’Ankazobe, Marotsipoy ary Anjozorobe ireo manamboninahitra avy ao amin’ny andiany faha-48 tao amin’ny Akademia Miaramila Antsirabe. Hetsika nentina niadiana sy namongorana ny fakana an-keriny eny ambanivohitra izany. Vokatra azon’izy ireo tamin’izany ny basy Mas 36 iray […]




